Publié dans Malagasy

Antsirabe - Telo mianadahy mpanao vola sandoka voafandriky ny zandary

Publié le dimanche, 19 juillet 2020

Fisolokiana avo lenta. Lehilahy roa sy vehivavy iray mpisoloky milaza ho mahavita lelavola no voasambotry ny zandary ao amin’ny Tobim-paritra Antsirabe, ny 18 jolay lasa teo. Noho ny loharanom-baovao azon’izy ireo, nanao ny vela-pandrika ny zandary.

 

Roa andro talohan’io no nahazo loharanom-baovao momba ity fisolokiana ity ny teo anivon’ny zandary. Natao ny vela-pandrika, ka nihaona nivantana tamin’ilay ramatoa iray tamin’ireo mpiray tsikombakomba ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Antsirabe. Nambaran’ity vehivavy ity tamin’izany fa misy  mpiasan'ny Banky foibe avy eto Antananarivo afaka mamoaka ravin-taratasy fanamboarana vola.  Misy akora ampiarahina amin'io taratasy io avy eo ka rehefa sasana miaraka ireo dia vola iray alina na roa alina Ariary no mivoaka ary vola tena izy fa tsy sandoka. Raikitra ny fifanarahana fa hatao ny andrana ka vola folo tapitrisa Ariary no sandan’ny ravin-taratasim-bola sy ny akora mahavita vola mitentina telopolo tapitrisa Ariary avy amin’izy ireo. Ny 18 jolay teo no fotoana nifanomezan’ny roa tonta fa hanaovana ny fifanakalozana sy ny andrana.

Roa lahy sy ramatoa iray nitondra ravin-taratasy voadidy toy ny vola iray alina Ariary voafono tao anaty « papier alu » sy ilay akora hafa voalaza fa ilaina amin’ny famokarana vola taratasy no namonjy ny fotoana tamin’ny CB, tamin’io andro io. Ity farany izay nasain’izy ireo nitondra vovon-tsavony sy fitaovana fanindronana.  Mody natao ny fanandramana ireo ravin-taratasy ka dia vola taratasy efatra amin’ny iray alina Ariary no navoaka avy ao. Nantsoina ireo zandary efa niandry tsy lavitra ny hotely nifamotoanan’izy ireo ka noraisim-potsiny izy telo mianadahy ireto.

Manoloana ny tranga tahaka izao, tsara hatrany ny manamarina ny vola taratasy mialoha ny handraisana azy. Hamafisina ihany koa fa tsy misy olon-tsotra na mpiasan’ny Banky foibe mahavita lelavola malagasy.

N.A

Fil infos

  • Regards croisés sur la corruption à l'aéroport d’Ivato - Douanes et Sécurité publique s'expriment
  • ACTU-BREVES
  • Réinspection du Stade Barea - La non-homologation du stade confirmée
  • Actu-brèves
  • ACTU-BREVES
  • Matchs éliminatoires-Coupe du monde - Les Barea vont jouer au Maroc ou à l'île Maurice
  • Actu-brèves
  • Corruption - Romy Voos et Philippe Tabuteau condamnés par la Justice britannique
  • Transition énergétique - L’Etat reçoit un soutien international de taille
  • Législatives - Coup d'envoi de la bataille électorale

La Une

Recherche par date

« May 2024 »
Mon Tue Wed Thu Fri Sat Sun
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Pub droite 1

Editorial

  • Trouble-fête !
    La propagande électorale en vue des législatives du 29 mai continue son bonhomme de chemin. Morne pour certaines localités ou régions, trop bruyante pour d’autres, elle ne suscite pas trop d’enthousiasme encore moins pas trop d’intérêts. Une semaine exactement après le coup d’envoi, la propagande peine à atteindre la vitesse de croisière. L’opinion semble ne pas y accorder trop d’importance concernant notamment ce prochain scrutin du 29 mai. En tout cas, le choix de ma part du terme « propagande » au lieu de « campagne » n’a rien de fortuit. Un choix délibéré ! L’usage du mot « propagande » en lieu et place de « campagne » traduit, en quelque sorte, la vulgarité de la chose. En effet, le mot « propagande » au sens péjoratif évoque le discrédit de la campagne. Qui dit propagande sous-entend une avalanche de promesses mirobolantes ou des engagements sans suite. Selon nombre…

A bout portant

AutoDiff