la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La Une du 06/09/10, N°0699

S'identifier



Statistiques

Membres : 695
Contenu : 10714
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 3228838
Accueil Inona no Vaovao Fandriampahalemana - Mitaky valin ’ asa misongadina ny Firenena

Fandriampahalemana - Mitaky valin ’ asa misongadina ny Firenena

Écrit par Lendrema   
Lundi, 26 Juillet 2010 00:30
Nandritra ny valan - dresaka nataon’ ny Filohan’ ny Tetezamita, Rajoelina Andry tamin’ ny fandaharana « Hono hoy aho andriamatoa Filoha », dia fotoana lavalava ihany no niresahana momba ny tsy fandriampahalemana. Ho an’ ny Filoha dia tsotra ny teniny ho an’ ireo mpitandro filaminana. « Betsaka ary mbola ho maro ireo fanampiana ara - pitaovana sy fitsinjovana manokana ireo Polisy sy Zandary ka mila valiny tsara avy any amin’ izy ireo ny vahoaka sy ny Firenena ». Midika avy hatrany izany fa tokony hisy ny fanamby sy ny zava - bita misongadina ataon’ ireo tomponandraikitra amin’ izany mba hahamandry fahalemana ny Firenena. Niaiky koa anefa ny Filoha fa « noho ny tsy fisian’ ny asa sy ny fiparitahan’ ny fitaovam - piadiana noho ny tsy fisian’ ny famindram - pitantanana mazava dia maro ireo fitaovam - piadiana miparitaka teo amin’  ny Tafika ». Nanamafy ny tenany fa « tsy ny tsy fananan’ asa akory no hanararaotana ka hangalarana sy hanaovana asa fanakorontanana etsy sy eroa ».
Lendrema
 

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La Une Inona no Vaovao du 06/09/10, N°0365
Pub-Mada.du 17 mars 2010
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 63 invités en ligne