Esplanade Analakely - Olona nahiana nitondra basy nosavain’ny Emmo-Reg |
|
Écrit par Tojo R.
|
|
Samedi, 20 Mars 2010 00:30 |
|
Mbola tazana tamin’ ireo toerana mafampana ao Analakely ny fiaraben’ ny mpitandro filaminana, omaly. Heno mantsy fa nikasa hanao fihetsiketsehana teny an - toerana ireo mpomba ny ankolafy telo.
Tsy tanteraka anefa izany ary nitohy toy ny isan’ andro ny asa amanan’ andraikitry ny rehetra teny an - toerana. Fa omaly, antoandro ihany dia raim-pianakaviana miisa roa nosavain’ ny Emmo - Reg teo amin’ ny Esplanade Analakely. Avy eny Ambohitrimanjaka izy ireo ary hiantsena noho ny fanomanan’ izy ireo raharaham - panambadiana anio no antony nankanesany teny Analakely. Nijanona teo amin’ ny parkina esplanade ny fiarany nandritra izany rehetra izany. « Avy hatrany dia noentin’ izy ireo nidina teny amin’ ny mpitandro filaminana namany teny amin’ ny Avenue izahay. Raha ny filazany, dia nahiana ho nitondra basy izahay. Natao avy eo ny fisavana. Rehefa tsy nahita na inona na inona izy ireo dia naverina tany amin’ ilay fiaranay teny amin’ ny Esplanade izahay. Nosavaina ihany koa io fiara io kanefa tsy nahitana na inona na inona », araka ny fanazavana nomen’ ireo voasava.Nambaran’ ireto olona ireto ihany fa « nampametra - panontaniana anay kosa ny antony nisavana anay kanefa marobe ny fiara nilahatra teo ».
Tojo R. |
|
Mise à jour le Vendredi, 19 Mars 2010 20:16 |
la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir