Ambanitsena - Enin-dahy nirongo basy nanafika mangazay |
| Écrit par Tojo R. |
| Mardi, 27 Juillet 2010 00:30 |
|
Tonga hatrany Ambanitsena ny fanafihana ataon’ ireo jiolahy mirongo fiadiana. Mpivarotra enta - madinika indray mantsy no voatafika ny alin’ ny alahady teo.
Lelavola enina hetsy Ariary no lasan’ ireo jiolahy tamin’ izany. Enin - dahy nirongo basy poleta no nandroba tamin’ izany. Tsy nisy nisaron - tava izy ireo ary vahiny amin’ ny mponina any an - toerana ny endriny. Ankoatra io lelavola io, dia lasan’ ireo jioalahy tamin’ izany ihany koa ny entana tao am - pivarotana, toy ny sigara sy ireo entana mora bataina. Tapitra noentin’ izy ireo ihany koa ny labiera namidy tao amin’ ity toeram - pivarotana ity. Nanapoaka basy indray mandeha izy enin - dahy tamin’ izany. Raiki - tahotra noho izany ny tompon - trano ka tsy afa - namaly. Tao amin’ ilay tanàna antsoina hoe Ambohimifongitra Ambanitsena no misy ity toerana voatafika ity. Raha ny fanazavana voalohany azo, dia jiolahy avy aty an - dRenivohitra ireto tonga manafika any Ambanitsena ireto. Tojo R.
|
| Mise à jour le Lundi, 26 Juillet 2010 21:47 |
la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir