la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La

S'identifier



Statistiques

Membres : 695
Contenu : 9668
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 2885982
Accueil Inona no Vaovao

Inona no Vaovao

Miparitaka ny mpomba an-dRavalomanana - Sahiran-tsaina ny mpitarika etsy amin’ny Magro

Écrit par Voaharison Ezekia   
Lundi, 26 Juillet 2010 00:30
Manomboka efa manova ny fomba fiteniny ireo mpitarika ny fihetsiketsehana etsy amin ’ ny Magro. Ny fomba handresen - dahatra ireo mpikatroka mba tsy ho diso fanantenana no tena manahirana azy ireo ankehitriny.
Mise à jour le Dimanche, 25 Juillet 2010 20:43
Lire la suite...
 

« Anao ny fitenenana » Mahajanga - Malalaka tsara ny fanehoan-kevitra

Écrit par Lendrema   
Lundi, 26 Juillet 2010 00:30
Sambany teo amin’ ny tantaran’ ny Renivohitr’ i Boina no nisy izany ady hevitra politika amin’ ny alalan’ ny antso an - tariby  ao amin’ ny onjam - peo. Nisokatra tany Mahajanga nanomboka tamin’ iny herinandro lasa iny ny radio sy ny televiziona « Viva ».
Mise à jour le Dimanche, 25 Juillet 2010 20:42
Lire la suite...
 

Fitrandrahana ao Soalala - Nahazo tsikera ny « Sherrit » sy Ambatovy

Écrit par Lendrema   
Lundi, 26 Juillet 2010 00:30
Napetraky ny mpanao gazety tamin’ ny Filoha Rajoelina Andry ny fanontaniana manodidina ny fitrandrahana vy ao Soalala,  izay iarahana amin’ ny orinasa sinoa « Wisco ».
Mise à jour le Dimanche, 25 Juillet 2010 21:47
Lire la suite...
 

Filoha Rajoelina tao amin ’ ny « Tvm », omaly - « Ity Firenena ity tsy miankina amin ’ ny firehana fa amin ’ ny vahoaka »

Écrit par Tiana Rakoto   
Lundi, 26 Juillet 2010 00:30
Nisy ny ady hevitra (debat) nandeha nivantana tao amin ’ ny fahitalavitra « Tvm » niarahan ’ ny Filoha Rajoelina Andry sy ny namana mpanao gazety Ravoajanahary Johary avy ao amin ’ ny « Televisiona malagasy » sy Rakotoarison France avy ao amin ’ ny « M3tv » any Mahajanga.
Mise à jour le Dimanche, 25 Juillet 2010 22:05
Lire la suite...
 

Trafikana Andramena - « Avoaka ny anaran ’ izay tratra »

Écrit par Tiana R.   
Lundi, 26 Juillet 2010 00:30
Nazava ny tenin’ ny Filoha Rajoelina omaly tao amin’ ny fahitalavitra Tvm  fa « izay olona tratra amin’ ny trafikana Andramena (Bois de rose), dia tokony hanefa ny vidiny. Ankoatra izay, dia saziana araka ny lalàna manan - kery ary mandoa onitra. Avoaka tsy misy indrafo ny anaran’ ireo olona na orinasa tafiditra ao anatin’ izany ary mila arahi - maso akaiky. Ny tenako manokana dia tsy mankasitraka izany na iza izy mpanao trafikana Andramena na iza. Sambory dia eto eo anatrehan’ ny lalàna. Ny trafikana : Bois de rose, dia heloka ary isan’ ny mitory azy ny Fanjakana. Ao anatin’ io dia misy tomponandraiki -panjakana. Tena efa tambazotra iray tahaka ireny aferana zava - mahadomelina any an - dafy ireny izy ity, ka mila mametraka tetika maty paika hamongorana izany ny ministeran’ ny Tontolo iainana, ny Fitsarana ary ny mpitandro filaminana  ».
Hojerena akaiky
Nisongadina ireo nandritra ny firesahan’ ny Filoha Rajoelina momba ity aferana « Bois de rose » ity. Niaiky izy fa misy olona ao anatin’ ny Fitondrana tafiditra amin’ ity raharaha ity. Misy ihany koa mpiasan’ ny ladoany ary tsy vao izao no nisian’ izany fa efa ela. Voalaza mantsy fa rehefa sarona ireo hazo rarobidy dia mijanona hatreo ny raharaha. Raha ny fanazavana nomen’ ny Filoha Rajoelina anefa dia mila jerena hatramin’ ny anaran’ ireo olona tompon’ ny fiara mpitatitra ary avoaka ny anarany. Mikasika ilay Andramena 300 taonina sarona tany Kaomôro, dia efa tokony ho vita ny fanadihadiana hoy izy, ka mila havoaka avokoa ny anaran’ izy ireny. Ity raharaha ity dia nolazainy fa « ady isan’ andro no ataontsika mikasika ny kolikoly amin’ ny fanondranana an - tsokosoko ity hazo sarobidy ity ».
Tiana R.
Mise à jour le Dimanche, 25 Juillet 2010 21:58
 
<< Début < Précédent 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 Suivant > Fin >>

Page 9 sur 522

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La
Pub-Mada.du 17 mars 2010
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 86 invités en ligne