la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La

S'identifier



Statistiques

Membres : 695
Contenu : 9668
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 2886089
Accueil Inona no Vaovao Hadihady Hadihady - Tsy ilaina intsony ny fifampidinihana !

Hadihady - Tsy ilaina intsony ny fifampidinihana !

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Tiana Rakoto   
Lundi, 19 Avril 2010 00:30
Ao anatin’ izao ankatoky ny fihaonana atsy Afrika Atsimo izao,  dia miseho lany ny asa fampihorohoroana sy ny fikasana hanongam - panjakana. Miaramila ôfisie am - perinasa sy rezervista ary sivily mihoatra ny 20 isa, no saron’ ny mpitandro filaminana nikasa hanongam - panjakana haka ny Lapan’ i Mahazoarivo. Tsy ireo 20 isa ireo ihany ry zareo ireo araka ny vaovao voaray fa marobe no nikendry  hanao ity fikotrehana fanonganam - panjakana ity. Ny zavatra azo antoka aloha,  dia mpanao politika no ao ambadik’ izany. Raha ny tenin - dRamaroson Alain, mpikambana eo anivon’ ny Hat,  dia ny Filoha teo aloha, Ravalomanana Marc no nanakarama ireo andian’ olona ireo. Noho izany,  dia tsy ilaina intsony ny fifampidinihana amin’ ny mpanao politika manana foto - pisainana toy izany satria mikatsaka ny fifamonoan’ ny samy Malagasy sy ny miaramila mihitsy ny dikan’ izany. Fandaniana andro ny fandehanana atsy Afrika Atsimo satria olona tsy maty voalavo an - kibo. Izany ve azo ifampiraharahana ? Tsy vitan’ izay fa mbola fantatra ihany koa fa ity Filoha teo aloha ity ihany no voalaza fa manome vola manakarama ireny fanapoahana baomba vita tanana tetsy Tsiazotafo sy teny Soanierana ireny. Raha ireo rehetra ireo no resahina,  dia mba manana fon’ olombelona mitempo ihany ve ingahy Ravalomanana ? Atao ahoana intsony moa ny hiady hevitra amin’ ny olona lian - dra toy izany ? Ka raha sanatria, iza moa no mahalala ny havoakan’ ny ampitso ka ny ain’ ny Filoha Rajoelina izay handeha hihaona aminy atsy Afrika Atsimo indray no katsahiny hovonoina rehefa tsy nahita hirika teto Madagasikara izy ?  Noho izany, antony iray dia tsy tokony hankanesan’ ny Filohan’ ny Hat atsy Afrika Atsimo izany  satria na ny fiarovana ny ainy aza,  dia tena hanahirana tokoa. Indrindra any an - tany lavitra any.
Tiana Rakoto
 

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La
Pub-Mada.du 17 mars 2010
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 164 invités en ligne