|
Écrit par Tiana Rakoto
|
|
Mardi, 02 Mars 2010 00:30 |
Tsy maty voalavo an - kibo amin’ ilay fanapahan - kevitra naroson’ ny Filoha Rajoelina, ny amin’ ny hanaovana ilay « Teny ifampierana » eny Ivato mandritra ny roa andro ny avy amin’ ny ankolafy Ratsiraka sy Ravalomanana ary Zafy.
Samy milaza izy ireo hatreto fa tsy hanatrika ary tsy handray anjara amin’ io atrikasa lehibe hamaritana ny fomba hitondrana ny Tetezamita io. Anisan’ ny hiantefan’ ny fanasana anefa izy ireo satria raharaha tokantrano iraisana amin’ ny alalan’ ny ady hevitra, no hovahana mandritra izany. Finiavana anefa tsy misy tahaka izao ka samy hotsarain’ ny tantara eto izay tena manao ny tsy mety amin’ ity Firenena ity. Ny zavatra tsapa mantsy, dia fankahalana tsotra izao an - dRajoelina no ataon’ izy ireo. Satrin’ izy ireo hilatsaka ny sazy ary tsy ahita fahombiazana ity mpitari - tolona lasa mpitondra Fanjakana ity. Ny mahamaika azy ireo, dia ny fampiharana ny Maputo sy ny tovana tany Addis Abeba ihany. Samy efa nandramana avokoa anefa ny fampiharana ireo saingy disadisa no setriny. Vao ny fanendrena ireo mpikambana eo anivon’ ny Governemantan’ ny fampiraisam - pirenena no natao dia nikatso ny dinika ary raikitra ny disadisa. Amin’ izao fotoana izao, dia nantsoina avokoa ireo hery velona rehetra hiaraka hamaha ny olana. Anisan’ izany ireo mpanao politika ao anatin’ ny ankolafy telo. Fanakianana sy fanaratsiana ranofotsiny no hasetrin’ izy ireo izany. Ny tanjon’ izy ireo dia hamotika tanteraka an’ i Madagasikara amin’ ny fiankian - doha amin’ ny any ivelany hatrany. Tsy misy mihitsy ny fijerena ny mpiray Tanindrazana. Zon’ ireo hery velona rehetra anefa ny miara - mitady vahaolana ho an’ ity Tanindrazana iombonana ity. Samy hotsarain’ ny tantara eto isika raha toa ka finiavana tahaka izany no hanasaziana an’ i Madagasikara.
Tiana Rakoto
|
la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir