|
Écrit par Tiana Rakoto
|
|
Mercredi, 03 Mars 2010 00:30 |
Re izao fa hisy indray ny fivoriana hiantsoan ’ ny Kaomision’ ny Vondrona afrikana sy ny Sadc ary i Joaquim Chissano an’ ireo lehiben’ ny ankolafy efatra izay ahitana an - dRajoelina, Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy any Addis Abeba, telo andro aorian’ ilay atrikasa « Teny ifampierana ».
Ho an’ ny firehana Rajoelina sy ny Fitondrana tetezamita, dia efa mazava ny heviny fa tsy hifampidinika hamaha olana any am - pitan - dranomasina intsony izy ireo. Vazo mitovy kosa ve dia hiampitana lakana. Vazo mitovy satria fikatsahana famaham -bahaolana no atao any Addis Abeba sy ilay « Teny ifampierana » hatao eny Ivato ny 4 sy 5 marsa ho avy izao. Ny tsy hitovizany dia ny samy Malagasy no hikaon - doha miaraka sy hanapaka izay fomba hitondrana ny Tetezamita hamaritana ny lalàm - pifidianana ary ny fametrahana ny Vaomieram - pirenena mahaleo tena momba ny fifidianana ka hiampitana any amin’ ny Repoblika fahefatra. Resaka mandany andro no ataon’ ny Vondrona afrikana sy ny Sadc mikasika ity fiantsoana fivoriana ity satria tsy nahitam - bokany hatrany ny fanelanelanana nataon’ izy ireo. Koa inona intsony moa no tokony handehanana any Addis Abeba ? Fandaniam - potoana no ataon’ izy ireo satria ny vahoaka malagasy efa maika hiala amin’ izao krizy izao. Latsaka an - katerena ny vahoaka ary tsy vitan’ izay fa tsy mahasolo tena ny Malagasy 20 tapitrisa mihitsy ireo ankolafy efatra ireo. Koa nahoana no izy ireo ihany no tsy maintsy hamaritra izay ho avin’ i Madagasikara. Rariny loatra raha nanapa - kevitra hanao ity « Teny ifampierana » ity ny Filoha Rajoelina.
Tiana Rakoto
|
la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir