|
Écrit par Tiana Rakoto
|
|
Lundi, 08 Mars 2010 00:30 |
Dia iny tsy raikitra iny indray aloha ilay fampivoriana ny firehana efatra nokasain’ ny Vondrona afrikana hatao tany Addis Abeba, tokony ho nanomboka omaly. Raha ny fanazavana azo, dia ny tsy fandehanan’ ny Filoha Rajoelina no antony tsy naharaikitra ny fivoriana.
Rava izany aloha ny tsena momba iny resaka fivoriana miaraka amin’ ny ankolafy Ratsiraka, Zafy ary Ravalomanana iny. Midika fahombiazana azon’ ny ankolafy Rajoelina izany, na dia manitrikitrika aza ireo ankolafy sasany fa any Addis Abeba ihany no vahaolana. Manana tombon - dahiny lehibe ny Filoha Rajoelina amin’ ny hanohizany ny fitantanana ny Fitondrana tetezamita satria ny fahavitan’ ilay « Fifanaraham - pirenena teny Ivato » nanaovana ny « Teny ifampierana », dia mbola nanamafy fa izy no hitondra izany. Izay solontenan’ ny vahoaka no niara - nitady hevitra tao anatin’ ny roa andro teny amin’ ny Ivontoeram - pivoriana iraisampirenena eny Ivato. Fankatoavana ve nisy tahaka iny teny Ivato iny ? Tsy azo odian - tsy hita koa fa niezaka namory olona sy nikasa hanao hetsika lehibe ny ankolafy telo avy amin - dRavalomanana, Ratsiraka ary Zafy teto Antananarivo kanefa tsy nahomby izany. Zara raha nisy mpitolona tonga tetsy amin’ ny Magro. Efa midika izany fa rava ny tsena ary Rajoelina tanteraka no mitondra ny Tetezamita. Izany fihaonana katsahin’ ny Vondrona afrikana izany dia mbola « any an - kibon’ ny omby ». Ny fiainam - pirenena rahateo tsy maintsy mandeha satria latsaka an - katerena ny vahoaka noho ny krizy. Iny fehin - kevitra nivoaka teny Ivato iny, no lalana iray hivoahana amin’ izany. Ny fampiharana izany no mahamaika fa tsy ilaina intsony izany fivoriana any am – pitan -dranomasina izany. Na ireo Firenena mpikambana ao anatin’ ny « Gic » Madagasikara aza anie efa marisarisa amin’ ity fivoriana lava ity. Tonga saina amin’ ny zava - misy izy ireo satria misy mpitondra Fanjakana manao ny asany ara - dalàna eto Madagasikara. Midika izany fa efa rava ny tsena fa fandrebirebena vahoaka tsotra izao no ataon’ ireo ankolafy telo tsy mety miray feo amin’ ny vahoaka.
Tiana Rakoto
|
la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir