la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La Une du 06/09/10, N°0699

S'identifier



Statistiques

Membres : 695
Contenu : 10714
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 3228852
Accueil Inona no Vaovao Hadihady Hadihady - Nosimbain ’ ny politika ny fifampitokisana !

Hadihady - Nosimbain ’ ny politika ny fifampitokisana !

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Tiana Rakoto   
Samedi, 12 Juin 2010 00:30
Izay fanapahan – kevitra rehetra naroson’ ny Fitondrana tetezamita mba hivoahana amin’ ny krizy, dia notondroin’ ireo avy amin’ ny ankolafy telo fa fanapahan – kevitr’ olon – tokana  ka nolaviny hatrany. Nantsoina ny rehetra mba hanatrika ny Fikaonandoham – paritra natao isaky ny Faritra tamin’ ny fotoan’ androny, tsy tonga izy ireo fa mbola fanapahan – kevitr’ olon – tokana, hono, izany. Nisy ny fihaonana ho fikaroham – bahaolana nokarakarain’ ny mpanelanelana teny amin’ ny « Panorama » Andrainarivo, tsy nandray anjara koa ry zareo fa hevitr’ olon – tokana hono. Najoro ny Governemanta Roindefo Monja, tsy niditra ry zareo fa hevitr’ olon – tokana hono. I Andriamiseza  Alain irery no nanoina ny antso. Nantsoina avokoa ny hery velona rehetra teto amin’ ny Firenena tamin’ ilay dinika loabary an – dasy natao teny Ivato. Nandà izany ny ankolafy telo fa hoe hevitr’ olon – tokana hono. Najoro indray ny Vaomiera mahaleo tena momba ny fifidianana, navelan’ izy ireo ho banga ireo toerana natokana ho azy fa fanapahan – kevitry Rajoelina irery hono izany. Natsangana indray ny Komity ho fakan – kevitra momba ny Lalàmpanorenana, tsy namaly ny fanasana ry zareo. Nijoro tsy notendren’ iza na iza indray ireo Raiamandreny mijoro, tsy hita be ihany izay tena hevitry ny ankolafy telo fa hoe hevitr’ olon – tokana indray, hono,  no nahatonga azy ireo mitsangana. Izany foana no valin – teny azo avy amin’ izy ireo. Koa raha nanontany Raharimalala Louisette, filohan’ ny Mavana fa hoe : nahoana no tsy hatao ny famoriana ireo antoko politika sy ny hery velona ary ny olona tsara sitrapo rehetra eto amin’ ny Firenena mba hitadiavana ny vahaolana marina ka ny tena fototry ny aretina no sitranina fa tsy ny soritra aretina fotsiny ? Ny olana mipetraka ao anatin’ izany anefa dia hoe : iza no hitarika ny fivoriana ? Mbola misy olona na fikambanana tsy manana fiandaniana afaka mitarika izany ve eto Madagasikara ka tsy ahitana fanakianana ? Ny Fitondrana tetezamita ve  ? Fanapahan – kevitry ny olon – tokana izany ka tsy ho avy mihitsy ny ankolafy telo. Ny ankolafy efatra ve ? Niaraha – nahita ireny dinika tany ivelany ireny fa tsy nisy zava – banona. Ny Ffkm ve ? Efa miandany amin’ ny ankolafy ny Fiangonana sasany. Sarotra araka izany ny hamaly ny fanontaniana  satria tsy misy intsony ny fifampitokisana eto amin’ ity Firenena ity ka sarotra ny toe – draharaha. Sao kosa àry ny Mavana no tokony hiantso ?
Tiana Rakoto
 

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La Une Inona no Vaovao du 06/09/10, N°0365
Pub-Mada.du 17 mars 2010
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 58 invités en ligne