|
Écrit par Tiana Rakoto
|
|
Mardi, 20 Avril 2010 00:30 |
|
Tsy efa mba ampy ve izay fampijaliana nataon’ ny mpanao politika ny vahoaka malagasy izay e ! Ny zava - misy dia tsy mitsahatra mikatsaka izay hamotehana ny Firenena ireo mpitondra telo mirahalahy nifandimby teto Madagasikara.
Manao boka mijinja vary izy ireo ankehitriny, ka manakorontana ny efa milamina. Sahin’ izy ireo mihitsy mantsy amin’ izao fotoana izao ny mampivondrona ny heriny mba hamotehana ny Firenena. Tao anatin’ ny 33 taona ngarangidina nanomboka tamin’ ny 1975, dia latsaka tao anatin’ ny lavaka lalina ny Firenena malagasy. Nahantra ny vahoaka ary nandalo krizy isan - karazany. Vokatry ny nataon - dRatsiraka, Ravalomanana ary Zafy no nahatonga izany. Maizina hatrany no niain’ ny vahoaka. Satria tsy mba nisy nikatsaka ny tombontsoam - bahoaka mihitsy ry zareo ireo. Porofon’ izany izao zavatra iainan’ ny vahoaka ankehitriny izao. Tsy vitan’ izany fa hatramin’ ireo mpandraharaha ara - toekarena niezaka nanasongadina ny hambom - pirenena aza, dia natao izay namonoana tsikelikely azy ka nahatonga ny hery velona rehetra nitroatra. Izay no anton’ ny tolona nikatsahana ny fahafahana mba hialana teo ambanin’ ny vahohon’ ny mpanao didy jadona sy ny mpanao ampihimamba. Tafita izany ankehitriny noho ny herimpon’ ny tanora sy ny vahoaka. Io indray fa mandrangaranga fanapotehana ireo mpitondra nifandimby. Sahin’ izy ireo ny manangana kômandô hoentina manongam - panjakana. Kendrena ao anatin’ izany ny hifamonoan’ ny samy malagasy. Dia ho aiza ihany no hiafaran’ ny vahoaka ? Tsy mba misy fitiavan - tanindrazana mihitsy ve amin’ izy telo lahy ireo ? Atao avokoa ny tetika maizina rehetra mba tsy hahavanona ny Fitondrana tetezamita. Efa natao daholo ihany koa ny fomba nifanatonana sy ny ady hevitra teny ambony latabatra, saingy tsy nisy mihitsy ny fitiavan - tanindrazana fa ny ady seza no nahamaika. Tsy inona anefa fa fitiavam - pahefana ihany, no manosika azy ireo hanao izao fanakorontanana izao.
Tiana Rakoto
|
la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir