la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La

S'identifier



Statistiques

Membres : 695
Contenu : 9668
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 2885961
Accueil Inona no Vaovao Hadihady Hadihady - Handalo sedra ny Tetezamita !

Hadihady - Handalo sedra ny Tetezamita !

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Tiana Rakoto   
Jeudi, 11 Mars 2010 00:30
Manomboka anio, dia handalo sedra ny Tetezamita. Hiseho amin’ ny endriny maro izany sedra izany. Isan’ izany ny fiatrehana ny fiainam - bahoaka sy ny vokatry ny fandalovan’ ny rivodoza « Hubert ». Eo ihany koa ny fiandrasana ilay rahom - bava ataon’ ny Vondrona afrikana amin’ ny hilatsahan’ ny sazy  aorian’ ny 16 marsa ho avy izao. Etsy andaniny ny olana anatin’ ny zandarimaria izay tsy mety miravona tanteraka. Noho ireo voatanisa ireo,  dia tsy ho mora ny miandry ny Fitondrana tetezamita Rajoelina,  amin’ izao fotoana izao. Tamin’ ity herinandro ity,  dia efa olona maherin’ ny roanjato no traboina any Alaotra noho ny fiakaran’ ny rano. Misy ampahan - dalana amin’ iny lalam - pirenena faha - 44 iny efa tapaka tanteraka. Efa ao anatin’ ny Distrikan’ Ambatondrazaka  no misy izany. Hanampy izany ny traboina sy ny tondra - drano entin’ ilay rivodoza « Hubert » niditra an - tanety omaly,  any Mananjary sy ny tanàna manodidina ny Faritra Vatovavy Fitovinany. Tsy maintsy atrehan’ ny Fitondrana izany rehetra izany satria mahakasika mivantana ny fiainam - bahoaka ary mila ny fanampian’  ny Fanjakana foibe. Ny fandraisana andraikitry ny Fitondrana momba izany no tena andrasan’ ny vahoaka fatratra ka izay ilay sedra. Amin’ ny trangan - javatra tahaka izao mantsy no tena itarafan’ ny vahoaka raha tena mitsinjo marina azy ireo ny mpitondra. Izany filatsahan’ ny sazy avy amin’ ny Vondrona iraisampirenena izany dia tsy mampiraika azy loatra satria na nisy vazaha na tsy nisy vazaha dia tsy nisy fiantraikany tamin’ ny fiainam-bahoaka izany. Noho izany, dia mila mijery akaiky ny fiainam - bahoaka akaiky ny Tetezamita raha tiany ny ho afaka amin’ ny sedra. Raha vitan’ ny Fitondrana tetezamita mantsy ny mitady vahaolana amin’ ireo traboina vokatry ny fiakaran’ ny rano,  dia dingana lehibe no vita. Azo inoana fa tsy maintsy ho voadinika ao anatin’ ny Filankevitry ny minisitra anio ny momba izay ary tonga dia handray andraikitra ny Governemanta.
Tiana Rakoto
 

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La
Pub-Mada.du 17 mars 2010
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 91 invités en ligne