la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La

S'identifier



Statistiques

Membres : 695
Contenu : 9668
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 2886073
Accueil Inona no Vaovao Hadihady Hadihady - Ankasomparana tsotra izao !

Hadihady - Ankasomparana tsotra izao !

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Tiana Rakoto   
Jeudi, 04 Mars 2010 00:30
Tsy mahafaly ny mpanao politika sasany sy ireo tia miakin - doha amin’ ny any ivelany mihitsy ny fanapahan - kevitra noraisin - dRajoelina hanao ity atrikasa « Teny ifampierana » manomboka androany ity. Atao daholo izay hamohazana sy handrangitana ireo antokon’ olona na mpitandro filaminana hanao fihetsiketsehana hoentina hanehoana ny tsy fankasitrahana azy ity. Tsy tongantonga ho azy mantsy ireny zava - miseho ireny fa tena ankasomparana tsotra izao. Tsotra anie ny vahaolana raha misy ny fitakiana atao mandritra izao krizy politika izao raha tena tia Tanindrazana marina. Efa misy ny sehatra ahafahana miady hevitra sy ifampierana amin’ ny fikatsaham - bahaolana mandritra ny roa andro manomboka androany. Mandray anjara amin’ io « Teny ifampierana » io dia any no haroso ny hetaheta tiana ho tanterahin’ ny mpitondra ao anatin’ ny Tetezamita,  dia ampy izay. Ny mpanao politika na karazam - pikambanana mandray anjara amin’ io atrikasa io dia azo hampitondraina izay. Rehefa tapaky ny besinimaro fa azo tanterahina izay,  dia arahaba soa arahaba tsara. Raha toa kosa tsy lany dia izany no antsoina hoe : demokrasia. Ny zava - misy mantsy dia ankasomparana tsotra izao no kendren’ ny sasany hatao. Tampoka teo dia nilaza ny hery vonjy taitran’ ny zandarimaria fa : « manome 24 ora hamoahana ny vokatry ny famotorana ilay raharaham - bola 2, 5 miliara Ariary ». Nahoana no natao nifanandrify tamin’ ny fanombohana ilay atrikasam - pirenena izany fitakiana izany ? Misy ambadika ao. Raha tena misy marina ny fitiavan - Tanindrazana , dia azo nahemotra kely izany. Noho izany dia taratry ny ankasomparana ihany izany.
Tiana Rakoto
 

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La
Pub-Mada.du 17 mars 2010
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 160 invités en ligne