|
Écrit par Tiana Rakoto
|
|
Samedi, 13 Mars 2010 00:30 |
Tsy misy tokony hisalasalana ny hampiharana ilay « Fifanaraham - pirenena teny Ivato » intsony manomboka izao. Iny ihany no hany lalan - tokana hivoahan’ ny Firenena malagasy amin’ izao krizy politika miseho izao.
Tsy azo ifampiandrasana mantsy ny fahoriam - bahoaka. Efa midona isam - baravarana ny fahantrana ary mitaky ny fandraisana andraikitry ny Fanjakana izany. Noho izany, ny fametrahana haingana iny zavatra tapaka teny Ivato iny no vahaolana. Voasolontena nandritra iny fihaonana iny avokoa ny hery velona rehetra nahatsapa fa ilaina ny « Teny ifampierana » amin’ ny hitondrana an’ i Madagasikara. Antso avo no natao ary tsy nisy fanilikilihana na iza na iza. Noho izany, afaka miteny ireo nanome tanana iny « Fifanaraham - pirenena teny Ivato » iny fa afaka adidy tamin’ ireo tsy tonga. Tsy nanao antso tany amin’ ny tany efitra ny Fitondrana tetezamita fa tonga maro nanoina ny antso ireo nahatsiaro tena fa manana adidy amin’ ity Firenena iombonana ity. Tsy mba nanana ny foto - pisainan’ ny ankolafy telo tarihin - dRavalomanana, Ratsiraka ary Zafy. Miafina ao ambadikin’ ny Vondrona afrikana sy ny Firenena vahiny hafa hatrany mantsy izy ireo. Ny azy ireo, ny hevitry ny olona mitondra ireny Vondrona ireny no manan - danja aminy fa tsy ny hevitry ny mpiray Tanindrazana aminy. Olan’ ny Fireneny anefa no vahana ! Olona manana foto - pisainana toy izany ve no mbola haverina hitantana ny Firenena indray ? Tsy eken’ ny maro an’ isa intsony ny handinihana ny olan’ ny Firenena malagasy any am - pitan - dranomasina. Efa nahavita ny fifanarahana hitondrana ny Fireneny izy ireo koa rariny loatra raha tsy nihazo an’ i Addis Abeba ny Filoha Rajoelina. Misy Fanjakana mijoro ara - dalàna ary eken’ ny vahoaka eto. Mihodina ara - dalàna ny fiainam - pirenena na dia misy aza ny « sabôtazy » etsy sy eroa ataon’ ireo « tsy maty voalavo an - kibo » amin’ ny hitantanan - dRajoelina ny Tetezamita. Atao daholo ny fingampingana isan - karazany ary miafina any ambadiky ny Vondrona iraisampirenena any ireo mpamita - bahoaka. Tsy Ravalomanana na Ratsiraka na Zafy intsony no hanafaka ny vahoaka malagasy amin’ izao taonjato diavintsika izao. Efa nitondra teo ry zareo ireo saingy tsy hita izay tena fampandrosoana noentiny. Noho izany, mila olom - baovao i Madagasikara ary mila fandraisana andraikitry ny tanora ihany koa, mba hanafaka azy ao anatin’ izao fahantrana izao. Efa nisafidy an - dRajoelina hitantana ny Tetezamita nandritra ny « Teny ifampierana » ny maro an’ isa, ka tsy misy mampisalasala intsony ny mampihatra ny « Fifanaraham - pirenena teny Ivato ». Noho izany, raha mbola tian’ ireo mpitondra ao anatin’ ny Fitondrana Tetezamita amin’ izao fotoana izao ny hitazona ny fahatokisan’ ny vahoaka azy ireo, dia mila mandray andraikitra momba ity fahoriam - bahoaka ity izy ireo.
Tiana Rakoto
|
la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir