la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La

S'identifier



Statistiques

Membres : 695
Contenu : 9668
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 2886054

Hadihady

Hadihady - Fandaniana andro sy fandrebirebena !

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Tiana Rakoto   
Vendredi, 02 Juillet 2010 00:30
Miara - miaiky ny maro fa ny fanatanterahana ny fifidianana ihany no hahafahantsika miala amin’ izao krizy politika misy eto amin’ ny Firenena izao.
Lire la suite...
 

Hadihady - Ilaina ny fanovana olona !

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Tiana Rakoto   
Jeudi, 01 Juillet 2010 00:30
Eo am - pamolavolana ny Lalàmpanorenana hitantanana ny Repoblika fahefatra isika amin’ izao fotoana izao.
Lire la suite...
 

Hadihady - Potika noho ny fiandaniana politika ny Fiangonana !

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Tiana Rakoto   
Mercredi, 30 Juin 2010 00:30
Manomboka miseho lany etsy sy eroa indray ny fingampingana sy ny ankaso isan - karazany eny anivon’ ny fiarahamonina sy ny Fiangonana noho ny resaka politika.
Lire la suite...
 

Hadihady - Nibaribary ny tetika ratsy !

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Tiana Rakoto   
Mardi, 29 Juin 2010 00:30
Nandritry ny fankalazana ny tsingerintaona faha - 50 nahazoana ny Fahaleovantena teo, dia mbola misy hatrany ireo mpamadika Tanindrazana. Mahagaga ihany mantsy ny tian’ ireo mpanohitra hatao eto amin’ ity Firenena ity satria tsy mihanona intsony amin’ izay tsy fitovian - kevitra eo amin’ izy ireo sy ny Fitondrana tetezamita ny raharaha fa tena lasa lavitra mihitsy.
Lire la suite...
 

Hadihady - Nibaribary ny tetika ratsy !

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Tiana Rakoto   
Mardi, 29 Juin 2010 00:30
Nandritry ny fankalazana ny tsingerintaona faha - 50 nahazoana ny Fahaleovantena teo, dia mbola misy hatrany ireo mpamadika Tanindrazana. Mahagaga ihany mantsy ny tian’ ireo mpanohitra hatao eto amin’ ity Firenena ity satria tsy mihanona intsony amin’ izay tsy fitovian - kevitra eo amin’ izy ireo sy ny Fitondrana tetezamita ny raharaha fa tena lasa lavitra mihitsy. Ao anatin’ izany ny fifofoana ny ain’ ny mpifanandrina politika aminy. Tsy vitan’ izay, fa na ny Tanindrazana iaraha - manana aza dia tsy asiana vidiny sy hasina. Tsy maintsy nankalazaina foana iny Fetim - pirenena iny na iza na iza mpitondra eo. Ny tena mahagaga anefa,  dia ry zareo mpanohitra dia niady fo mafy ny tsy nahatanteraka iny Fetim - pirenena iny. Vaninandro lehibe ary manan - danja ho an’ ny vahoaka malagasy anefa izany niverenan’ ny Fahaleovantena izany ary amin’ ny fotoana toy ireny no fanehoana ny hambompom - pirenena raha tena mpanao politika marina ny mpitondra na ny mpanohitra. Ny foto - pisainan’ ny mpanohitra anefa dia ny tsy nahavanona iny fankalazana ny tsingerintaona faha - 50 niverenan’ ny Fahaleovantena iny. Izay mantsy no tena marina ! Natao daholo izao fanelezana tsaho sy vaovao tsy marina izao ary nampihorohoroana mihitsy ny ambanilanitra tamin’ izany. Nolazaina fa « tsy hisy Fetim - pirenena vanona eto. Miomanà ianareo, manangonà vatsy fa hisy raharaha eto ? Tsy maintsy miala mialohan’ ny 26 jona Rajoelina ! », izany no antsoantso sy kabary naely tany anaty tranonkalam - pifandraisana rehetra tany. Izay ve no heverin’ izy ireo fa hitondra soa ity Firenena ity ? Toe - tsaina mirefarefa amin’ ny tany tahaka izany no handotoana sy hamotehina ny herim - pon’ ireo nandatsaka ny rany noho ny fitiavan - Tanindrazana ho an’ ity Firenena ity. Izay olan - dRavalomanana sy Ratsiraka ary Zafy amin - dRajoelina ve no hanaovana ny Firenena toy izany ? Manginy fotsiny ny tsy fanatrehan’ izy ireo ny matso tetsy amin’ ny kianjan’ i Mahamasina. Nihevitra hitondra Tafika vahiny ho eto Madagasikara ihany koa ireto mpanohitra ireto hatramin’ izay. Raha hiverenana eto ny tantara dia tamin’ ny 1896 no nisy Tafika vahiny nanani - bohitra farany teto Madagasikara fony ny mpanjaka Ranavalona III nitondra an’ i Madagasikara. 114 taona aty aoriana  misy Malagasy mikasa hitondra hery vahiny hanani - bohitra eto Madagasikara indray. Izany ve no hatao hoe : fitiavan - Tanindrazana ? Aoka samy handinika lalina ianareo mpanao politika manam - pikasana hanao izany. Hotsarain’ ny tantara eto izay mieritreritra hanao izany. Efa potehina amin’ ny resaka politika ve ny fivavahana kristiana ? Indrindra ny finoana protestanta dia mbola hampidirina mpanani - bohitra koa i Madagasikara ? Malagasy iza no hanaiky izany intsony ? Efa betsaka ireo Raiamandreny vonona hitady vahaolana hampihaona sy hamitram - pihavanana saingy ny hevitra sadasadan’ ny vahiny ihany no kasaina hampanjakana eto. Noporofoin’ ny Fitondrana tetezamita tamin’ ny fankalazana tamin’ ny fomba manetriketrika ny Fetin’ ny 26 jona fa manana ny fiandrianany ity Nosy ity ka tsy azo ampitahorina amin’ izay resaka tsaho sy fanaratsiana isan - karazany.
Tiana Rakoto
 
<< Début < Précédent 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 Suivant > Fin >>

Page 6 sur 42

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La
Pub-Mada.du 17 mars 2010
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 137 invités en ligne