|
Écrit par Tiana Rakoto
|
|
Mardi, 13 Avril 2010 00:30 |
|
« Tandroka aro ny vozona ». Anarana mahabe voninahitra sy nampisy hasina ny Tafika malagasy izany. Hery iray lehibe sy andry iankinan’ ny Firenena ny Tafika. Ny tarigetrany rahateo dia ny hoe : « ho an’ ny Tanindrazana ».
|
|
Lire la suite...
|
|
|
Écrit par Tiana Rakoto
|
|
Lundi, 12 Avril 2010 00:30 |
|
Manoloana ny resaka miely sy fivoriana etsy sy eroa eo anivon’ ny Tafika, dia tsy tongatonga ho azy izy ireny fa tsy maintsy misy ny antony mahatonga izany. Ny zavatra tsy azo lavina, dia mandalo fotoan - tsarotra ny Fitondrana tetezamita noho ny resaka misamboaravoara eo anivon’ ny Tafika. Rehefa ny Tafika eto no tenenina, dia ny zandary sy ny miaramila avy hatrany no mby ao an - tsaina. Misy antony no nahatonga ny minisitry ny Foloalindahy teo aloha tsy nanapa - kevitra hiala avy hatrany fa mbola mifampiera amin’ ireo namany eo anivon’ ny Tafika izy aloha. Misy antony ihany koa ny fivoriana nifanesisesy nataon’ ny zandary manokana izay nandraisan’ ireo tsy dia mitovy hevitra loatra noho ilay raharaham - bola 2 miliara mahery kely kanefa samy nandray anjara an - kitsimpo. Nihazakazaka be ny toe - draharaha satria nisy feo nandeha fa haka fahefana ny Tafika ary mety hiafara amin’ ny fandraisan’ izy ireo ny Fitondrana tanteraka izany. Izany rehetra izany anefa tsy tongatonga ho azy fa misy antony tao. Ny fanesorana ny minisitry ny Foloalindahy no tena nampirehitra ny afo voalohany tamin’ izany ary nitranga tsikelikely ny zavatra nokobonina tao ambadik’ izay rehetra izay. Andro vitsy monja nandalovan’ ireo iraka frantsay nahitana ny sekreteram - panjakana momba ny fiaraha - miasa, Alain Joyandet sy André Parant, mpanolotsaina manokan’ ny Filoha frantsay, Nicolas Sarkozy momba an’ i Afrika. Ary ny farany teo, dia ny nampisisika an’ andriamatoa Ratsiraka Roland, mpikambana eo anivon’ ny Hat ny tokony hananganana ny Governemantan’ ny fampiraisam - pirenena hahitana sivily sy miaramila. Ity farany, dia zana - drahalahin’ ny Filoha teo aloha , Ratsiraka Didier, izay mialokaloka any Parisy ( Frantsa ) amin’ izao fotoana izao. « Misy ifandraisany avokoa ireo rehetra ireo ary ny Frantsay no ambadik’ izany satria tapitra amin’ ity taona ity ny fifanarahana miafina tamin’ ny Frantsay nataon’ ny Filoha malagasy voalohany nandritra ny 50 taona. Fifanarahana momba ny tombontsoa manokan’ i Frantsay eto Madagasikara no anton’ izany. Mitady hirika mafy hanavao io fifanarahana io ny Frantsay ary tafiditra ao anatin’ ny vela - pandrika ny Tafika malagasy. Volabe tsy toko tsy forohana no tambin’ izany ary misy kolonely frantsay 4 voatonontonona manao izay hampahomby izany », tenina malagasy iray zanaka tia Tanindrazana monina any am - pitan - dranomasina izany. Manaporofo izany ny zava - misy ankehitriny satria toa tsy mahatoky ny hanaovan’ ny Filoha Rajoelina io fifanekena io ny Frantsay, ka ny Tafika no tambazany. Hatramin’ izay mantsy, dia tsy niraika ny amin’ izany haka fahefana izany ry zareo. Kanefa amin’ izao fotoana izao, dia misy hevitra mipoitra hanao izany eo anivon’ ny Tafika. Toa tsy resaka fitiavan - Tanindrazana loatra no manosika ny Tafika hanao izany fa misy zavatra hafa. Raha tena izay marina mantsy, dia efa nandray andraikitra izy ireo fony vao nametra - pialana Ravalomanana. Izay resaka rehetra ivelan’ izany dia karazana fanarontsaronan - javatra avokoa. Raha ireo rehetra ireo no zohina, dia tafiditra ao anatin’ ny vela - pandrika ny Tafika. Tanjona amin’ izany ny hanilihina an - dRajoelina eo amin’ ny Fitondrana. Ny tena zava - doza, dia efa tongotra mby an - dakana mihitsy ny fanatanterahana izany. Mampanahy ny fisian’ ny dian - tanan’ ny Filoha teo aloha, Ratsiraka ho ao ambadik’ izany ? Toy izany koa ny fanehoan - kevitra nataon’ ny zana - drahalahiny tao amin’ ny hotely lehibe iray teto an - dRenivohitra ny sabotsy lasa teo. Antso ho an’ ny feon’ ny fieritreretan’ ny tsirairay indrindra ny mpanao politika sy ny Tafika no atao satria mbola hamidy amin’ ny « fitiavan - kely » amin’ ny Frantsay ao anatin’ ny 50 taona manaraka indray ve i Madagasikara ?
Tiana Rakoto |
|
Écrit par Tiana Rakoto
|
|
Samedi, 10 Avril 2010 00:30 |
|
Tsy fahita eto Madagasikara loatra izany hoe : tomponandraikitra ara - panjakana ambony mametra - pialana izany na dia tsapa izao aza fa tsy mety aminy intsony ny hitazona ilay andraikitra.
|
|
Lire la suite...
|
|
|
Écrit par Tiana Rakoto
|
|
Vendredi, 09 Avril 2010 00:30 |
|
Fanindroany izao no naharenesana mpitondra ambony eo anivon’ ny Fitondrana tetezamita fa tsy manaiky hoesorina sady tsy manaiky ny fifandimbiasam - pahefana noho ny fandaminana anatiny eo anivon’ ny Fanjakana, amin’ izao fotoana izao.
|
|
Lire la suite...
|
|
Écrit par Tiana Rakoto
|
|
Jeudi, 08 Avril 2010 00:30 |
|
Nanaitra ny maro ny teny nambaran’ ny Filoha teo aloha, Ravalomanana Marc tamin’ ny valan - dresaka an - telefônina ho an’ ny mpanao gazety tamin’ ny herinandro lasa iny. Nambarany fa tambazana volabe izy mba tsy hilatsaka hofidina ho Filohampirenena intsony.
|
|
Lire la suite...
|
|
|
|
|
<< Début < Précédent 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 Suivant > Fin >>
|
|
Page 19 sur 42 |
la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir