|
Écrit par Tiana Rakoto
|
|
Jeudi, 11 Mars 2010 00:30 |
|
Manomboka anio, dia handalo sedra ny Tetezamita. Hiseho amin’ ny endriny maro izany sedra izany. Isan’ izany ny fiatrehana ny fiainam - bahoaka sy ny vokatry ny fandalovan’ ny rivodoza « Hubert ». Eo ihany koa ny fiandrasana ilay rahom - bava ataon’ ny Vondrona afrikana amin’ ny hilatsahan’ ny sazy aorian’ ny 16 marsa ho avy izao. Etsy andaniny ny olana anatin’ ny zandarimaria izay tsy mety miravona tanteraka. Noho ireo voatanisa ireo, dia tsy ho mora ny miandry ny Fitondrana tetezamita Rajoelina, amin’ izao fotoana izao. Tamin’ ity herinandro ity, dia efa olona maherin’ ny roanjato no traboina any Alaotra noho ny fiakaran’ ny rano. Misy ampahan - dalana amin’ iny lalam - pirenena faha - 44 iny efa tapaka tanteraka. Efa ao anatin’ ny Distrikan’ Ambatondrazaka no misy izany. Hanampy izany ny traboina sy ny tondra - drano entin’ ilay rivodoza « Hubert » niditra an - tanety omaly, any Mananjary sy ny tanàna manodidina ny Faritra Vatovavy Fitovinany. Tsy maintsy atrehan’ ny Fitondrana izany rehetra izany satria mahakasika mivantana ny fiainam - bahoaka ary mila ny fanampian’ ny Fanjakana foibe. Ny fandraisana andraikitry ny Fitondrana momba izany no tena andrasan’ ny vahoaka fatratra ka izay ilay sedra. Amin’ ny trangan - javatra tahaka izao mantsy no tena itarafan’ ny vahoaka raha tena mitsinjo marina azy ireo ny mpitondra. Izany filatsahan’ ny sazy avy amin’ ny Vondrona iraisampirenena izany dia tsy mampiraika azy loatra satria na nisy vazaha na tsy nisy vazaha dia tsy nisy fiantraikany tamin’ ny fiainam-bahoaka izany. Noho izany, dia mila mijery akaiky ny fiainam - bahoaka akaiky ny Tetezamita raha tiany ny ho afaka amin’ ny sedra. Raha vitan’ ny Fitondrana tetezamita mantsy ny mitady vahaolana amin’ ireo traboina vokatry ny fiakaran’ ny rano, dia dingana lehibe no vita. Azo inoana fa tsy maintsy ho voadinika ao anatin’ ny Filankevitry ny minisitra anio ny momba izay ary tonga dia handray andraikitra ny Governemanta.
Tiana Rakoto |
|
|
Écrit par Tiana Rakoto
|
|
Mercredi, 10 Mars 2010 00:30 |
|
Faty olona mikararana noho ny lozam - pifamoivoizana, haintrano etsy sy eroa, jiolahy manao ny ataony, miakatra isan’ andro ny vidim - piainana, manomboka mitotongana ny fari-piainan’ ny isam - baravarana, sakafo tapa - kibo sy misaringo - borodamba ary mitombo andro aman’ alina ny very asa. Manginy fotsiny ireo valanaretina maro isan - karazany mamely eto an - toerana. Izany no iainan’ ny vahoaka tsy mandady harona, amin’ izao fotoana izao. Odian’ ny mpanao politika tsy jerena izany rehetra izany noho ny hambom - po diso toerana ka izany no hanaovana izao antso « fampieritreretana » izao, satria tafahitsoka lalina ny fiainam - pirenena. Herintaona mahery, no niaina izany ny valalabemandry. Ampy kosa angamba izay fa mila manapa - kevitra ianareo mpanao politika. Ianareo no fototr’ ireo olana rehetra voalaza etsy ambony ireo. Hetahetam - bahoaka no nanekena amin’ ny fandrodanana ny jadona. Hitam - poko sy hitam - pirenena ny zava - nisy teto hatramin’ ny nahazoana ny Fahaleovantena, 50 taona lasa izay. Tao anatin’ izay fotoana izay, dia saribakolin’ ireo mpangoron - karena vahiny sy Malagasy ireo nitondra teto. Tsy nisy mihitsy izany fikatsahana ny tombontsoam - bahoaka izany. Nijoro nandray andraikitra ny tanora, kanefa dia sakantsakana sy fanembantsembanana hatrany no natao azy. Fotoana tokony hijoroan’ ireo manam - piniavana hampandroso ity Firenena ity izao. Misy aminareo ao anatin’ izao Fitondrana izao mantsy, no taranak’ ireny olona ireny. Tsy misy mitampi - maso eto. Lasa sorona noho ny hambom - po politika ny vahoaka malagasy. Ny tena mampalahelo ary tsy mampandeha ity Tetezamita ity, dia misy olona izay ao anatiny ao ihany, mampihitsoka ny raharaha. Ny mahatonga izany, dia noho ny fitiavan - tena. Kanefa ny tanjona tratrarina tsy mbola tody akory. Raha tena misy mantsy ny firaisankinan’ ny mpanohana ny Fitondrana mijoro ankehitriny, dia efa dingana maromaro no vita. Toa manararaotra ny fahatsoran - dRajoelina avokoa ireo manodidina azy. Antso fampieritreretana ihany koa no atao ireo olona ireo, na avy amin’ ny antoko inona izy na avy amin’ ny antoko inona. Ianareo ireo no tena manamaimbo ny tolona natao. Misy fetrany mantsy ny fahazakan’ ny vahoaka ireo voatanisa ery ambony ireo ka ity dia antso fampitodihana ny sainareo. Mba henoy ihany ny feon’ ny fieritreretanareo fa ny nenina tsy eo aloha fa aoriana. Satria na ny mpamosavy mandeha alina aza misy mahita. Manomboka izao, dia tsy hisy intsony izany mpilomano politika izany ka hoe « ho sakaizan’ ny mpandresy lava izao ».
Tiana Rakoto |
|
Écrit par Tiana Rakoto
|
|
Mardi, 09 Mars 2010 00:30 |
|
Tsy misy tokony hisalasalana ny hampiharana ilay « Fifanaraham - pirenena teny Ivato » intsony manomboka izao. Iny ihany no hany lalan - tokana hivoahan’ ny Firenena malagasy amin’ izao krizy politika miseho izao.
|
|
Lire la suite...
|
|
|
Écrit par Tiana Rakoto
|
|
Lundi, 08 Mars 2010 00:30 |
|
Dia iny tsy raikitra iny indray aloha ilay fampivoriana ny firehana efatra nokasain’ ny Vondrona afrikana hatao tany Addis Abeba, tokony ho nanomboka omaly. Raha ny fanazavana azo, dia ny tsy fandehanan’ ny Filoha Rajoelina no antony tsy naharaikitra ny fivoriana.
|
|
Lire la suite...
|
|
Écrit par Tiana Rakoto
|
|
Samedi, 06 Mars 2010 00:30 |
|
Nifarana hatreo ilay atrikasa « Teny ifampierana » teny Ivato. Mandravona ny rijan - teny rehetra momba ny hevitra tapaka rehetra sisa no anjaran’ ny teknisiana. Niasa mandra - maraina izy ireo satria anio amin’ ny 10 ora maraina no hanainga ho any Addis Abeba ny delegasiona tarihin’ ny Fitondrana tetezamita. Tsy hisy fifampidinihana amin’ ny ankolafy telo intsony any an - toerana fa hanolotra ny zavatra tapaka nandritra ny « Teny ifampierana » no hataon’ izy ireo any. Rariny loatra izany satria solontena avy amin’ ny hery velona rehetra manerana ny Faritra 22 eto Madagasikara no niaraka nanapa - kevitra teny Ivato. « Tsy ilaina intsony ny fifampidinihana » izay no teny baiko entin’ ny delegasiona amin’ izany. Hanolotra izany amin’ ny mpanelanelana sy ny Vondrona afrikana no anton - dian’ izy ireo any an - toerana fa tsy hikaon - doha intsony. Ny anton’ izany dia ho fanomezan - danja ny Malagasy mpiray Tanindrazana nandany ron - doha nikatsaka vahaolana. Ny hevitra no niady nandritra izay roa izay fa tsy nisy ny volo manoha - randrana matoa vita soa aman – tsara izy iny. Fanapahan - kevitra sy teny ierana tsy mihoatra an’ iny teny Ivato iny. Rehefa tsy hanaiky izany ny ankolafy telo dia azy ny azy. Efa tsy misy intsony ny fitsinjovana ny tombontsoa iombonana ho an’ ny Firenena raha mbola sahy hitsipaka an’ iny « Teny ifampierana » iny ry zareo.
Tiana Rakoto |
|
|
|
|
<< Début < Précédent 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 Suivant > Fin >>
|
|
Page 1 sur 19 |
la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir