|
Écrit par Clarisse Razafy
|
|
Samedi, 13 Mars 2010 00:30 |
|
Dahalo sivy lahy ao amin’ ny Kaomina Bekapaina, Distrikan’ i Tsaratanàna no saron’ ny zandary tany an - toerana, tamin’ iny herinandro iny.
 Tafiditra tao anatin’ izany ireo dahalo roa lahy antsoina hoe Dalemy sy Lemoto. Ireto farany dia malaza ratsy amin’ ny fanadiovana omby halatra. Avy nanao fanakalozana tao amin’ ny kijana Analavoribe, Fokontany Ambodiketsa, Kaomina Andriamena izy ireo izao sarona izao. Araka ny tatitra azo avy amin’ ny zandarimariam - pirenena, dia ny volana febroary lasa teo no nanomboka ny fikarohana sy ny fanarahan - dia nataon’ ny mpitandro filaminana ireto andian - dahalo ireto. Mpiompy omby iray no tratran’ ny fandrobana vala indroa miantoana tamin’ ny volana septambra 2009. Omby 50 isa no lasan’ ireo jiolahy tamin’ izany. Tsy mikely soroka amin’ ny fikarohana ireo jiolahy ny zandary mba ho fiarovana ny fananam - bahoaka sy ny ainy. Mbola mitohy kosa ny fikarohan’ ny zandary ny naman’ ireto jiolahy ireto izay mbola miriaria amin’ izao fotoana izao. Manainga ny mponina ihany koa izy ireo amin’ ny fanomezam - baovao momba ireny dahalo mialokaloka eny anivon’ ny fiarahamonina ireny.
Clarisse Razafy
|
la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir