la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

la une du 20/03/10, N°0560

S'identifier



Statistiques

Membres : 541
Contenu : 6468
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 1819601
Accueil Malagasy Toamasina - Mirongatra ny asan - jiolahy

Toamasina - Mirongatra ny asan - jiolahy

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Tiana R.   
Samedi, 06 Février 2010 00:30
Tahaka ny tany tsy misy mpitandro ny filaminana fa mirongatra izay tsy izy ny asan - jiolahy ao an - dRenivotr' i Betsimisaraka ao. Raim - pianakaviana iray indray no hita faty tao Mangarano ny faran’ ny herinandro lasa teo, izay mbola tsy fantatra ny namono azy.
ToamasinaFianakaviana polisy ity nisy namono ity. Ankoatra izay dia tovovavy iray no voaendaka bisikileta ny alarobia teo raha hamonjy fodiana avy nianatra. Nanodidina tamin' ny 6 ora sy 15 minitra no nisehoan’ izany tao Analankinina manakaiky ny tanin' ny Paositra. Tsy tahotra tsy henatra rahateo ihany koa ireo jiolahy any an – toerana rehefa avy mihinana sakafo masaka amidin' olona eny amoron - dranomasina fa ambanan’ izy ireo antsy ny mpivarotra mba tsy hitaky vola amin’ izy ireo. Efa tsy azo atao intsony koa amin' izao fotoana izao ny mitsangantsangana eny amoron -dranomasina manomboka amin' ny 7 ora alina. Satria tokoa olona roa no fantatra fa voaendaka teny amin’ity faritra ity. Tranga niseho tamin’ iny herinandro lasa iny avokoa ireo voatanisa tetsy ambony ireo.  Delegasiona mafonja avy amin’ ny zandary sy ny miaramila ary ny polisim - pirenena avy aty Antananarivo no tonga tany Toamasina herinandro lasa izay nijery ifotony ny zava - nisy sy nitady vahaolana. Lasa fifanilihana teo amin' ny mpitandro ny filaminana, ny Fitsarana ary ny mpiandry fonja izany firongatry ny asan - jiolahy izany. Ny delestazy lavareny tsy misy vahaolana ataon’ ny Jirama vao mainka manampy trotraka izany.
Tiana R.
 

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

la une inona no vaovao du 20/03/10, N°0226
Pub-Mada.du 17 mars 2010
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 143 invités en ligne