la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La

S'identifier



Statistiques

Membres : 695
Contenu : 9668
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 2886021
Accueil Malagasy Tafika Malagasy - « Tsy vahaolana ny fifanenjehana sy ny fifamonoana »

Tafika Malagasy - « Tsy vahaolana ny fifanenjehana sy ny fifamonoana »

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Willys F.   
Jeudi, 12 Mars 2009 00:00
Nisy indray izany ny fanambarana izany nataon’ny Tafika Malagasy teny amin’ny Capsat, omaly maraina.
« Manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena tao anatin’ny telo andro izay, dia tsapa fa maro ny zava-nitranga teo anivon’ny fiarahamonina sy ny tafika malagasy. Mampieritreritra sy mampalahelo hatrany ny zava-niseho,  satria dia mahazo vahana sy manjaka ny tsy fifanajana eo amin’ny samy mpiara-belona. Nisy ny vaky trano sy fandrobana ireo tranombarotra lehibe. Nanao fanambarana teny Andohalo ny lehiben’ny Etamazaoro Jeneralin’ny Tafika Malagasy, ny kolonely Ndriarijaona André fa tsy vahaolana velively ny fanaovana herisetra amin’ny alalan’ny fifanenjehana sy fifamonoana ary fandrobana. Manainga ny vahoaka araka izany izy mba ho samy ho tony ahazoana miroso amin’izay fanapahana mifanandrify amin’izany. Eo anoloan’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana mahery vaika sy ny siosion-dresaka mikasika ny fisian’ireo mpiakarama an’ady, dia aoka ny rehetra hiray hina ary handray andraikitra amin’ny fikarohana sy famerenana azy ireny any amin’ny manampahefana. Izany no natao dia mba ahafahana mametraka haingana amin’ny laoniny ny fandriampahalemana. Manainga ireo raiamandreny am-panahy ao amin’ny Ffkm sy ny tomponandraikitry ny sehatra iraisam-pirenena mba hanampy amin’ny famerenana amin’ny laoniny izany fampandriana ny tany sy ny firenena izany ». Ny Kolonely Rakotonandrasana Noël no niatrika ny mpanao gazety tamin’izany.
Willys F.
 

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La
Pub-Mada.du 17 mars 2010
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 119 invités en ligne