la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

la une du 19/03/10, N°0559

S'identifier



Statistiques

Membres : 541
Contenu : 6440
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 1811809
Accueil Malagasy Soanierana - Jiolahy nanao fanamiana miaramila nanafika Karàna

Soanierana - Jiolahy nanao fanamiana miaramila nanafika Karàna

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Tojo R. sy Willys F.   
Lundi, 08 Février 2010 00:30
Efa narahin ’ ny jiolahy avy aoriana ny fiaran ’ ity Karàna ity,  ka tonga teny Soanierana vao raikitra ny fitifirana. 
Soanierana-525Naratra tamin ’ izany ny tongotr ’ ilay mpamilin ’ ilay Karàna. Lasan ’ ireo jiolahy tamin ’ ity fanafihana amin ’ ny andro antoandro ity koa ny vola teny aminy. Notafihin’ ny jiolahy nirongo basy teo Soanierana ny Karàna sy ny mpamiliny izay nandeha tamin ’ ny fiara « Nissan » miloko fotsy. Ny sabotsy teo tamin’ ny 9 ora sy sasany maraina no nitrangan ’ izany. Lasan’ ireo jiolahy tamin ’ izany ny malety fitondran ’ ity karàna ity. Lelavola roa hetsy Ariary niaraka tamin’ ny antontan - taratasy maro no tao anatiny. Voatifitra nandritra ilay fanafihana koa ny tongotr ’ ilay mpamilin ’ ity Karàna ity. « Efa narahin ’ ireo jiolahy avy aoriana ity fiara nitondra an’ ilay Karàna ity ka nony tonga teo Soanierana, mifanandrify  ny fiolahana  mankany Tanjombato sy làlam - baovao iny no nanomboka nitifitra izy ireo. Tazanay nivoaka avy ao anatin’ ny fiara nandehanany mantsy ireo jiolahy. Ny roa lahy tamin’ izy ireo no nanatona an’ ilay Karàna. Ny roa ambiny kosa nanambana izay olona tety ivelany. Poa - basy inefatra teo no nataon ’ ireo jiolahy », araka ny fanazavan ’ ireo nanatri - maso ity fanafihana tamin’ ny andro antoandro ity.  Samy nisaron - tava avokoa izy efa - dahy ireo ary nanao fanamiana miaramila. Araka ny fanazavan’ ireo nahita maso, dia fiara taksy R12 no nitondra azy nandositra, izay nihazo an ’ iny làlam - baovao mankany Madera Namontana iny. Ilay fiara « Nissan » kosa nidofotra teo an – tsisin  - dàlana ary vaky mihitsy ny kodiarany sasany. Diam - bala miisa telo no niantefa tamin’ ny fitaratr ’ ity fiaran’ ilay karàna ity.
Tojo R.  sy Willys F.
 

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

bvn,,
pub-polyclinique-gm
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 158 invités en ligne