la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La

S'identifier



Statistiques

Membres : 695
Contenu : 9668
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 2886049
Accueil Malagasy Roland Ratsiraka - “Tsy ilaina intsony izany fitokonana faobe izany”

Roland Ratsiraka - “Tsy ilaina intsony izany fitokonana faobe izany”

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Razafindrakoto Aimé   
Mercredi, 18 Mars 2009 00:00
Hatramin'ny niandohan'ny fitokonana, nisian'ny fitakiana ny fametrahana ny demokrasia eto amin'ny firenena, dia ny alatsinainy tolakandro teo tamin'ny alalan'ny filazana fa hanaovana fitokonana faobe,
izay tarihin'ny Hery miara-dia Mitaky ny Demokrasia eto Toamasina, no andro nanehoan' ireo mpitokona ny fihetsiny ka nanakatonana ny biraom-panjakana ary nandravana ny sekoly rehetra, indrindra ireo sekoly nanakaiky ny kianjan'ny lisea teknika. Fihetsika tsy nankasitrahan-dRoland Ratsiraka izany ka nahatonga azy namory mpanao gazety tao amin'ny birao fiasany etsy amin'ny orinasany,  ny talata tamin'ny 11 ora antoandro. Nilaza izy fa amin'ny maha filoha nasionalin'ny antoko Malagasy Tonga Saina azy ary amin'ny maha Ben'ny tanànan' i Toamasina azy teo aloha no hanaovany fanambarana. " Manoloana ny asa fandrobàna sy fampitahorana  ireo mpivarotra sy ny orin'asa ary ny fampianarana na ny miankina na ny tsy miankina amin'ny fanjakana,  dia ambarany fa efa miroso amin'ny fandresena ny tolona hametrahana ny demokrasia, izay tarihin' i Andry Rajoelina amin' izao fotoana izao, koa tsy fotoanan'ny fanaovana fitokonana faobe intsony izao, raha ho an' i Toamasina manokana",  hoy ny filoha nasionalin'ny Mts.
Nambarany fa efa vita ny tolona ary kely sisa ka aleo hoy izy hianatra am-pitoniana ny mpianatra, hiasa ny mpiasa ary hivarotra am-pilaminana ny mpivarotra.
Razafindrakoto Aimé
 

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La
Pub-Mada.du 17 mars 2010
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 134 invités en ligne