la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La

S'identifier



Statistiques

Membres : 695
Contenu : 9668
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 2886147
Accueil Malagasy Filohan’ny Hat tany Toamasina - « Ny Fanjakana no tompon’ny fikarakarana... »

Filohan’ny Hat tany Toamasina - « Ny Fanjakana no tompon’ny fikarakarana... »

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Tiana R.   
Vendredi, 24 Avril 2009 00:00
“Tsy andraikitry ny filohan’ny Tgv Toamasina ny fikarakarana ny fandraisana ny fahatongavan’ny Filohan’ny Hat, Andry Rajoelina tao Tomasina fa andraikitry ny fitondram-panjakana misy any an-toerana.
andry-toamasinaHevi-diso noho izany izay nihevitra  ny Tgv Toamasina fa tomponandraikitra tamin’ny fikarakarana ny fandraisana ny Filohan’ny Hat,  satria fitsidihana ofisialy amin’ny maha Filohampanjakana no nataony tany. Raha amin’ny maha filoha nasionalin’ny fikambanana Tgv no nahatongavany tany dia andraikitray izany”, hoy ny fanazavana nomen’ny filohan’ny Tgv Toamasina, Alain Mahavimbina.
Araka ny fanazavana nomeny ihany dia tsy nitsoaka adidy anefa izy ireo satria saika ny fikambanana Tgv Toamasina notarihiny avokoa no niantsoroka ny lany rehetra tamin’iny fahatongan’ny Filohan’ny Hat tany Toamasina iny. Voalaza fa ny solika nampiasain’ireo rehetra nila izany tany Toamasina dia ry zareo avokoa no niantoka izany. Ny tomponandraki-panjakana tao Toamasina dia tsy nanao na inona na inona. Ny lehiben’ny aro-fenitry ny Fiadidiana ny fitondrana tetezamita, ny Faritra Atsinanana dia samy tany an-toerana avokoa saingy tsy nanao na inona na inona anefa ry zareo ireo. Voalaza fa tike 120 no nozaraina tamin’ireo olona nisakafo tao amin’ny “hotel le Neptune”. Ny Fanjakana anefa no tokony hiantsoroka izany kanefa izahay no nandoa azy. Mbola niantoka efitra 10 tao amin’io hotely io ihany koa izahay. Mbola ny trano fisakafoana (restaurant Baobab) izay an’ny tenako ihany koa no nampisakafoana ireo miaramila niandraikitra ny filaminana.  Fanampin’izay dia mbola ny Tgv Toamasina ihany no niantsoroka ny saran’ny fisakafoan’ny mpanao gazetin’i Toamasina tao amin’ny “Univers”.
Ity fitsidihan’ny Filohan’ny Hat, Andry Rajoelina tany Toamasina ity dia anisan’ny nahazo olona betsaka tokoa.
Tiana R.
 

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La
Pub-Mada.du 17 mars 2010
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 98 invités en ligne