la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La Une du 06/09/10, N°0699

S'identifier



Statistiques

Membres : 695
Contenu : 10714
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 3228871
Accueil Malagasy Noraisim - potsiny tetsy Ankadindratombo - Nidoboka am - ponja ilay nisandoka ho Miaramila

Noraisim - potsiny tetsy Ankadindratombo - Nidoboka am - ponja ilay nisandoka ho Miaramila

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Willys Fanomezantsoa   
Samedi, 24 Juillet 2010 00:50
Naiditra am - ponja vonjimaika eny Antanimora omaly ilay tovolahy nisandoka ho Miaramila. Mbola hita tao an - tranony avokoa ireo fitaovana nampiasainy tamin ’ izany fisandohana izany.
Noraisim - potsiny tao amin’ ny trano fonenany teny Ankadindratombo ny tovolahy iray FAUX-MILITAIRE0662nisandoka ho Miaramila ny 22 jolay lasa teo. Fotoana naharitra no efa nampiahiahy ny mponina teny amin’ ny manodidina ny fihetsik’ ity lehilahy ity. Rehefa niely ny siosion - dresaka momba azy dia nampandre avy hatrany ny Zandary misahana ny Sampana heloka bevava etsy Fiadanana ny fokonolona. Nidina teny an - toerana nijery ifotony ny zava - nisy ireo mpitandro filaminana. Natao ny sava hao ny trano fonenany ka nahitana fanamiana miaramila maro isan – karazany (effets militaire), toy ny « beret rouge » miaraka amin’ ny « macaron », lobaka sy pataloa fitondra miady, baoty « Rangers », fitomboka boribory an’ ny Fitsarana sy ny Akademia miaramila, « macaron » an’ ny Polisy, sabatra. Teo am – panatanterahana ny fanadihadiana natao taminy dia niaiky izy fa azy ireo fitaovana rehetra ireo.
Mifangaro ny jiolahy sy ny Miaramila
Tato ho ato dia hita amin’ ireny asan – jiolahy ireny fa tsy maintsy misy amin’ ireo jiolahy no manao fanamiana miaramila. Tena tsy misy mihitsy ny anavahana azy amin’ izany fa hatramin’ ny basy eny am - pelatanany aza dia ireny karazana basy natokana ho an’ ny mpitandro filaminana ireny. Tsy vitsy amin’ ireto farany ihany koa no mampanofa fanamiana sy fitaovam - piadiana, misy aza no tena manao sy mandray anjara amin’ ireny fanafihana ireny. Maro amin’ izy ireo no efa mamita sazy any am - ponja noho ny fanaovana asan - jiolahy. Raha ny zava - misy ankehitriny dia matahotra  avy hatrany ny mponina raha vao mahita endrika miaramila  vaovao eny an – tanàny.
Willys Fanomezantsoa
 

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La Une Inona no Vaovao du 06/09/10, N°0365
Pub-Mada.du 17 mars 2010
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 56 invités en ligne