la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La

S'identifier



Statistiques

Membres : 695
Contenu : 9668
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 2886043
Accueil Malagasy Fandrobana orinasa - Nirefotra ny basy, fito lahy voasambotra

Fandrobana orinasa - Nirefotra ny basy, fito lahy voasambotra

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Verite   
Mercredi, 24 Juin 2009 00:00
Nirefodrefotra indray ny basy teny amin’ny « Route Digue», omaly tamin’ny iray ora sy sasany maraina.Norobain’ny andiana tovolahy maro ny orinasa mpanamboatra vy iray teny amin’ny « route Digue ».
Araka ny fanangonam-baovao azo, dia lehilahy  manodidina  ny 20 teo, no nanao izao asa ratsy izao. Nanao tifi-danitra hampijanona azy ireo ny miaramila, ka ny fito lahy tamin’izy ireo no nijanona  sy nanangan-tanana,  ny ambiny kosa tafaporitsaka. Taorian’ny fandrobana niseho tamin’ireo tranombarotra sy orinasa teny amin’iny faritra manodidina iny, dia tsy tapaka mpitandro filaminana miambina eny amin’ny manodidina. Teto dia izy ireo efa nitatitra ireo karazana vy sy fitaovana fanamboarana trano vao tratra.
Niparitaka an-tanimbary
Raikitra ny fifanenjehana tanaty haizina tany an-tanimbary tamin’io ora io. Niparitaka tany anatin’ny tanimbary noho izany ireo fitaovana norobaina ireo. Araka ny fanampim-panazavana azo, dia efa tafavoaka mialoha ireo entana,  ka teo am-pitaterana izany ry zalahy no izao tra-tehaka  izao. Vao nipoaka  ny poa-basy dia samy nanao tongotra an-katoka tamin’ny fandosirana ireto farany. Ny fito voatazona  , ny ambiny kosa mbola mitohy ny fikarohana ataon’ny miaramila. Tsy nahasakana  ireto mpandroba  hanao ny asany ny fisian’ny toby miaramila tsy lavitra io orinasa voaroba io. Anisan’ireo orinasa efa lasibatry ny fandrobana ity orinasa ity  tamin’ny 27 janoary, dia izao tratra izao indray.
Willys F.
 

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La
Pub-Mada.du 17 mars 2010
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 130 invités en ligne