la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

la une du 20/03/10, N°0560

S'identifier



Statistiques

Membres : 541
Contenu : 6468
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 1825190
Accueil Malagasy Ambohitsorohitra - Nihorohoro ny tany ary nahitana ody ratsy

Ambohitsorohitra - Nihorohoro ny tany ary nahitana ody ratsy

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Willys F sy Tiana Rakoto   
Mercredi, 18 Mars 2009 00:00
Rakotra mpiandry sy miaramila ny lapan’Ambohitsorohitra omaly. Nanao ny adidiny amin’ny fanalana ny herin’ny maizina sy ny sampy  rehetra teny an-toerana izy ireo taorian’ny nahazoana izany lapa izany ny alin’ny alatsinainy teo.
Ireto avokoa ireo ody ratsy tao AmbohitsorohitraTaorian’izay dia naterina niakatra teny amin’ny lapan’Ambohitsorohitra ny Filohan’ny “Hat”. Tranga mahatalanjona no niseho teny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra, omaly, nanomboka tamin’ny 10 ora antoandro. Teo am-panaovana ny asany amin’ny fandroahana devoly ireo mpiandry marobe teny an-toerana no nihovitrovitra ny tany. Nanao diabe niditra sy nivoaka tamin’ny vavahady izy ireo no nahatsikaritra zavatra hafahafa ny mpiandry lahy iray nitondra lakroa hazo.
“ Tsikaritro fa misy zavatra hafahafa teo amin’ny toerana tsy lavitra ny vavahady.  Isaky ny mandalo eo mantsy izahay dia mihovitrovitra ny tany”, hoy ny fanambaran’ity mpiandry ity. Nisy ny vavaka nataon’izy ireo nanoloana izany tranga hafahafa izany. Nolavahan’izy ireo  izany avy eo .  Sahabo teo amin’ny 50 metatra teo dia indreo fa nisy peratra mariazy miaraka amin’ny zavatra maintimainty maro hita tao.  Raha ny filazan’izy ireo dia nampiasa herin’ny maizina ny tao amin’ity lapan’Ambohitsorohitra ity. Tao ambanin’ny biraon’ny Filohampirenena Marc Ravalomanana ihany koa dia nahitana sary osy kely volamena, osy kely tanimanga, lovia misy ny sarin’ireo mpanjaka taloha tany Egypta, antsy mifono ny sainam-pirenena malagasy izay misy zanany roa ary tapa-kazo maro samihafa. Feno sokitra lohan’osy avokoa ny tendron’ireo andry lehibe maromaro ao amin’ny lapan’Ambohitsorohitra. Nahita tabilao vita amin’ny lamba mainty misy ny sarin’i Madagasikara misy sarim-behivavy sy soratra hoe “Totem” eny ambony, “iray tsy mivaky i Madagasikara” eo ambany izay misy hazo Mpanjakabe ny tany. Teo ihany koa ny sarina rameva vita sokitra.   
“Mariazy tamin’ny devoly”
“ Nisy ny fanaovana mariazy tamin’ny devoly teto amin’ity toerana mba hiarovana ny toerana ity”, hoy ihany ireo mpiandry teny an-toerana. Midika ho firaisana maloto amin’ny satana ny fahitana izao zavatra izao.  Tamin’ny 12 ora antoandro katroka no nodorana tamin’ny lasantsy teny an-toerana ireto peratra sy fangaro mainty nampihovitrovitra ny tany ireto. Mpiandry maro niaraka tamin’ireo miaramila no nanatrika ny fanatanterahana izany teny an-toerana. Samy liana sy  talanjona avokoa izay nahita izany. Tsy nijanona hatreo anefa ny vavaka fanalana devoly teny amin’ity lapa ity fa nohodidinina avokoa ny faritra rehetra.
Willys F sy Tiana Rakoto
 

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

la une inona no vaovao du 20/03/10, N°0226
Pub-Mada.du 17 mars 2010
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 45 invités et 1 membre en ligne