la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La Une du 09/09/10, N°0702

S'identifier



Statistiques

Membres : 699
Contenu : 10773
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 3251476
Accueil Malagasy Nalaina an - keriny ary novonoina… - Mpijery fety natsipin ’ ny jiolahy tao amin ’ ny ranon ’ Andriantany

Nalaina an - keriny ary novonoina… - Mpijery fety natsipin ’ ny jiolahy tao amin ’ ny ranon ’ Andriantany

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Tojo R.   
Mardi, 29 Juin 2010 00:30
Lehilahy tokony ho 43 taona, mipetraka eny Ambohimanarina, no hita faty tetsy amin’ ny ranon’ Andriantany, omaly antoandro. Efa fantapantatra amin’ izao ny olona voarohirohy ho tompon’ antoka tamin’ izao fahafatesany izao, izay tsy iza fa lehilahy iray mahafantatra azy tsara ihany. 
Nivoa - dra ny vavany tamin’ ny fotoana nampakarana ny razana tao amin’ io lakandrano tetsy Ampefiloha io. Niniana novonoina mihitsy ity lehilahy ity. « Niara  - nijery fampisehoana tao Mahamasina tamin’ ny 25 jona antoandro niaraka tamin’ ny vady aman - janany izy. Teny an - toerana foana izy mianakavy kely ireo nandritra io fampisehoana io ka nitondra vary masaka natao tamin’ ny harona nohanina teny. Nandritra ny fampisehoana anefa, dia nisy niantso an - tariby tsy ankiato izy ireo. Fotoana fohy taorian’ izay, no nisy lehilahy nandrahona azy tamin’ ny totohondry avy lavitra. Teo no nanomboka mailo ny vadiny », araka ny fanazavana azo mikasika ity vono olona ity.
Karohina fatratra…
Ety Ambohimanarina no mipetraka  ilay rangahy namoy ny ainy« Sendra nandeha nivoaka nitady toerana nivoahana fotsiny ity rangahy ity no tsy tafaverina intsony. Nivimbina harona nisy ny lamba sy ny  kapan - janany izy tamin’ io nivoaka io. Tsy tafody tany an  - tranony izy ary tsy hita popoka intsony. Omaly, vao heno hoe hita tetsy amin’ ny ranon’ Andriantany ny vatana mangatsiakany », hoy ihany ny fanazavana azo.  « Iny andro alina be ( 25 jona ) iny anefa no tonga nandondona tany amin’ ilay ramatoa vadiny io lehilahy ahiahiana ho namono azy io. Sady nivimbina ilay harona voalaza etsy ambony izy tamin’ izay. Niantefa tany aminy tanteraka ny ahiahin’ ny fianakavian’ ny maty, noho ireo porofo sy fifandrifian - javatra maro ireo », araka ny fanamarihana azo mikasika ity raharaha ity. Karohina fatratra araka izany io lehilahy io, ahitana izay tena marina mikasika ity raharaha ity.
Tojo R.
 

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La Une Inona no Vaovao du 09/09/10, N°0368
Pub-Mada.du 17 mars 2010
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 167 invités en ligne