la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

la une du 20/03/10, N°0560

S'identifier



Statistiques

Membres : 541
Contenu : 6495
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 1828383
Accueil Malagasy Mpikarama an’ady - Tsy honohono fa tena nisy

Mpikarama an’ady - Tsy honohono fa tena nisy

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Jenny R.   
Jeudi, 12 Mars 2009 00:00
Maro ny tsy nino ny fisian’ny mpikarama an’ady izay re ombieny ombieny tato anatin’ity tolona ity. Fantatra amin’izao fotoana izao ny momba azy ireo ary taratasy ofisialy no nahazoana izany.
Ireo mpikarama an'ady nanome ny baiko teny amin'ny 13 meyMiisa 9 izy ireo. Teratany Israeliana 3, Afrika Atsimo 5 ary Holande 1. Niainga avy atsy amin’ny seranam-piaramanidina Johannesburg avy any Paris ny 4 tamin’izy ireo ary niainga avy atsy Johannesburg Afrika Atsimo ny ambiny. « Tamin’ny 2 marsa no tonga teto amintsika izy ireo », araka ny voalazan’ny taratasy. Ireto avy izy ireo: ny lehibe mpitarika azy ireo dia i Moja Mmatlou Marcus, teratany Afrika Atsimo, teraka tamin’ny 26 aprily 1974, diplaomaty izy io ; Nassar Victor, teratany Israeliana, teraka tamin’ny 3 oktobra 1970 ; Akila Joseph, teratany Israeliana, teraka tamin’ny 18 mey 1951 ; Mathew Beresforo Carter, teratany Afrika Atsimo, teraka tamin’ny 31 desambra 1966 ; Solomon Yehuda Shlomo, teratany Israeliana, teraka tamin’ny 19 septambra 1951 ; Gerhard De Knerk, teratany Afrika Atsimo, teraka tamin’ny 17 desambra 1968 ; Skog Charles Barena, teratany Afrika Atsimo, teraka tamin’ny 18 marsa 1963 ; Wener Elasmus, teratany Afrika Atsimo, teraka tamin’ny 10 aprily 1972 ; Ozdemir Omer, teratany Holande, teraka tamin’ny 23 novambra 1970. Na dia noezahina aza ny nanafina azy ity dia nipoitra ihany rehefa nametrahan’ny mpanao gazety fanontaniana ny Cemgam teo aloha, ny jeneraly Rasolomahandry Edmond izay nilaza fa « miaramila Expert-Instructeur », izy ireo hijery ny fomba ampiasana ny fitaovam-piadiana vaovao. Tsy ny vata-tenan’izy ireo ihany no tonga teto amintsika fa nisy fitaovam-piadiana niaraka tamin’izy ireo izay tsy maintsy navoaka haingana teny Ivato. Taorian’ireny zava-nitranga teny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny 4 sy 5 marsa ireny no nitroatra ny miaramila ary tsy nanaiky nandray baiko intsony na tamin’iza na tamin’iza. Na dia tsiambaratelo ara-miaramila aza ny zavatra tahaka izao,  dia tsy maintsy omena ny vahoka ihany mba ahalalany ny zava-misy marina mikasika ny fireneny. Fotoana izao hanarenana ny tsy nety rehetra ary tsy mahagaga raha mitaky ny fialan’ny mpitondra ny tafika malagasy.
Jenny R.
 

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

la une inona no vaovao du 20/03/10, N°0226
Pub-Mada.du 17 mars 2010
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 101 invités en ligne