la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La

S'identifier



Statistiques

Membres : 695
Contenu : 9668
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 2886102
Accueil Malagasy Mangatany Arivonimamo - Lehilahy notifirin ’ ny andian - jiolahy

Mangatany Arivonimamo - Lehilahy notifirin ’ ny andian - jiolahy

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Tojo R.   
Lundi, 01 Mars 2010 00:30
Notafihin’ ny andian - jiolahy nirongo basy ny tokantrano iray tao Antetezambato, Mangatany Arivonimamo,  ny zoma hifoha sabotsy teo tamin’ ny 1 ora maraina.
ArivonimamoRaim - pianakaviana iray no naratra mafy vokatry ny tifitra nahazo azy. Norobain’ ny jiolahy avy eo ilay tokantrano ka very tamin’ izany ny lelavola mitentina iray hetsy Ariary. Lasa tamin’ izany ihany koa ny finday miisa roa sy ny lektera Cd iray. « Nanao andiany mihitsy izy ireo tamin’ io fotoana io. Ny iray tamin’ izy ireo dia nitondra basy lava. Vao tafiditra tao an - trano ireto jiolahy ireto, dia niezaka nanohitra ilay tompon - trano. Avy hatrany,  dia tifitra no nasetrin’ ireo jiolahy ireo,  ka voa avy hatrany teo amin’ ny sorok’ ity rangahy iray ity. Taorian’ izay no nandraofan’ ireo olon - dratsy ny vola sy ny entana mora bataina rehetra », araka ny fanazavana azo mikasika ity fanafihana ity. Avy hatrany dia nidina tany an - toerana ny zandary sy ny polisy ao Arivonimamo. Taorian’ ny fizahana ifotony, dia nahitana taim - balana « Kalach » miisa roa, izay vao avy nampiasain’ ireo jiolahy.  Ankoatra izay, dia tratra tamin’ izany ihany koa ny « fer rond » mirefy 10 metatra miisa roa, fampiasan’ ireo jiolahy amin’ ny vaky trano ary fanalahidy « vachette » miisa dimy sy jiro fanao am - paosy iray. Maty vokatry ny poizina nomen’ ireo jiolahy ihany koa ny alika tao amin’ ilay tanàna. Mbola nahitana hena nisy poizina teny an - tokotany tamin’ io fijerena ifotony io.
Tsy mbola nisy tratra ireo jiolahy ireo hatramin’izao. Ny mpitandro filaminana any an -toerana kosa dia manohy ny fikarohana azy ireo ankehitriny.
Tojo R.
 

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La
Pub-Mada.du 17 mars 2010
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 136 invités en ligne