Mahatony - Soavimasoandro - Any am - ponja ireo nanafika Pasitera afrikana |
|
|
|
| Écrit par Tojo R. | |||
| Lundi, 15 Mars 2010 00:30 | |||
|
Voasambotra tamin ’ ny alakamisy teo ireo olon - dratsy miisa dimy nanafika Pasitera teratany afrikana tatsimo teny Mahatony Soavimasoandro, ny alakamisy 4 marsa teo. Natolotra ny Fampanoavana tamin’ ny sabotsy teo izy ireo ary nidoboka am - ponja avokoa.
Tra - tehaka avokoa ireo olon - dratsy nanafika ny « villa » nisy an’ ilay Pasitera vehivavy, teratany afrikana tatsimo tetsy Mahatony Soavimasoandro, ny alakamisy 4 marsa teo tamin’ ny 8 ora alina latsaka kely. Raha tsiahivina, dia dimy lahy nitondra sabatra no nanafika azy tamin’ io. Ny roa tamin’ ireo dia nisaron - tava. Naratra voan’ ilay sabatra fohy teny amin’ ireo mpanafika tamin’ izany ny lohan’ ilay Pasitera. Noteren’ izy ireo hamoaka vola ilay Pasitera saingy tsy nifankahazo ny fomba fiteny. Nafatotr’ ireo jiolahy ihany koa ny mpiambina.
Amin’ ny faha - 31 marsa no hiakatra Fitsarana ny raharaha voalohany ary amin’ ny faha - 12 avrily kosa ilay faharoa.Zaza tsy ampy taona Saika mbola zaza tsy ampy taona avokoa ny ankamaroan’ izy ireo satria eo anelanelan’ ny 15 hatramin’ ny 20 taona. Tamin’ ny alalan’ ny ady sy ny fifandirana tamina tovolahy teo an - tanàna no niaingan’ ny resaka ka nahafahana nisambotra ireto nanafika tranona Pasitera ireto. Miisa dimy izy ireo, ka ireo roa lahy nisaron - tava tamin’ ny andron’ ilay fanafihana dia tovolahy efa niasa tao amin’ ity trano ity ihany. Samy mipetraka eny amin’ ny manodidina eny ihany izy ireo. Nandeha ny fanadihadiana, ka voasambotra avokoa izy dimy lahy ireo tamin’ ny alakamisy sy zoma teo. Niakatra Fampanoavana tetsy amin’ ny Tribonaly Anosy tamin’ ny sabotsy teo ny raharaha. Notanana am - ponja vonjimaika eny Antanimora avokoa izy dimy lahy taorian’ ny fihainoana azy ireo. Raharaha miisa roa no anenjehana azy ireo amin’ izany. Ankoatra ity heloka be vava ity mantsy, dia mbola nanadinana azy ireo ihany koa ny raharaha halatra niseho tamin’ ny volana janoary, izay mbola maha voarohirohy azy ireo ihany koa. Tojo R.
|
la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir