Hopitaly be Toamasina - Zaza notsaboina maty vokatry ny delestazy |
|
|
|
| Écrit par Tiana Rakoto | |||
| Vendredi, 19 Mars 2010 00:30 | |||
|
Namono olona ny delestazin’ ny Jirama tany Toamasina, ny alarobia alina nanodidina tamin’ ny 7 ora sy fahefany teo ho eo. « Zaza teraka tsy tonga volana izy io ary manaraka fitsaboana ao amin’ ny hopitaly be », araka ny fanomezam - baovao voaray avy any an - toerana.
Voalaza fa « teo am - pametahana seraoma sy ôksizena ho an’ ilay zaza maty ny mpampivelona no tapaka tampoka ny herinaratra. Tsy hitan’ ilay mpampivelona izay hatao satria ny fametahana ilay ôksizena dia mila herinaratra. Nitarika fahafatesana ho an’ ilay zaza izany ». Misy milina mpanome herinaratra ( groupe électrogène ) ihany ao amin’ ny hopitaly be saingy misy fahasimbana izy io ka tsy mandeha. Gropy kely tsy mahasahana ny famatsiana ny hopitaly no hany mandeha mandritra ny delestazy. Tany amin’ ny sampam-pitsaboana « Pédiatrie » no nanaraka fitsaboana ity zaza maty ity. Io sampan - draharaha io dia anisan’ ny tsy takatr’ ilay herinaratra avy amin’ ilay gropy hany mba mandeha.
Ankoatra izay, dia olona iray nodidiana no difi - janahary no tsy nahafaty azy araka ny filazan’ ny Profesora iray. Segaondra vitsy taorian’ ny fahavitan’ ny fandidiana io olona nieren - doza io mantsy no maty ny jiro. Tsy mety mahita vahaolana amin’ ity delestazy misesisesy ity mihitsy ny Jirama ao Toamasina. Tsy vitan’ ny miteraka tsy fandriampahalemana any an - toerana intsony mantsy izy ity fa efa miantefa any amin’ ny ain’ ireo olona manaraka fitsaboana any amin’ ny hopitaly be. Tiana Rakoto
|
la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir