la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La

S'identifier



Statistiques

Membres : 695
Contenu : 9668
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 2886025
Accueil Malagasy Hasarotam – piaro - Nokendain - drangahy tamin ’ ny tady ny vadiny

Hasarotam – piaro - Nokendain - drangahy tamin ’ ny tady ny vadiny

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Willys Fanomezantsoa   
Jeudi, 11 Mars 2010 00:30
Vanditry ny tady sy tsy nahateny tao anatin ’ ny andro maro ilay renim - pianakaviana 20 taona izay novonoin ’ ny vadiny.  Omaly,  dia naiditra  am - ponja vonjimaika ity farany ary eny izy no miandry ny fotoam - pitsarana azy.
Naiditra am - ponja vonjimaika ilay rangahy« Nazerany tamin’ ny gorodona aho vao niditry ny trano izy. Iny izaho nianjera iny no nobedainy mafy ny tongotro sy ny tanako. Nokendainy tamin’ ny tady aho rehefa tsy nahetsika intsony. Sady nitabataba izy fa matiny aho raha miantso vonjy eo »,  hoy ny fanazavan’ ilay ramatoa novonoin’ ny vadiny. Teny amin’ ny Lovasoa Akamasoa Andralanitra,  no nitrangan’ izany ny alin’ ny 25 febroary lasa teo.  Araka ny vaovao azo,  dia hasarotam - piaro no antony nandratrany io vadiny io ary isaky ny mamo izy dia manao toy izany hatrany. Vanditra mihitsy ny tendan’ ilay renim - pianakaviana ary tsy nahateny nandritry ny andro maromaro izy. Raha ny vaovao voaray ihany,  dia saika maty tao io ramatoa io raha tsy voavonjin’ ireo mpiray monina taminy. Nitomany mafy ilay zaza tao an – trano ka hijery izany no anton - dian’ ireto farany tao. Voalaza fa mamon - drongony ity nahavanon – doza ity tamin’ io alina io. Velon - taraina ilay ramatoa fa tsy zakany intsony ny famonoana lava atao azy ka voatery izy nametraka fitoriana. Nangataka ny fifampiraharahana  tamin’ ny vadiny sy ny fianakaviany izy saingy efa tofoka amin’ ny fomba ratsiny izy ireo.
Namono mpampianatra
Efa nahazo  sazy mihantona telo volana noho ny fikasihan - tanana mpampianatra iray teny amin’ ny Akamaso ity raim - pianakaviana ity. Tamin’ ny taon - dasa no nitrangan’ izany ary ny hamamoana ihany no nahatonga azy hikasi - tanana io mpanabe io. Efa nisy ihany koa ny fepetra noraisin’ ny tomponandraikitra misahana ny fandriampahalemana eny an - toerana taminy.  Omaly,  no natolotra ny Fampanoavana tetsy Anosy ny raharaha ka naiditra eny Antanimora vonjimaika izy mandra - pahatonga ny fotoam - pitsarana azy.
Willys Fanomezantsoa
 

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La
Pub-Mada.du 17 mars 2010
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 122 invités en ligne