Gadra politika afaka sy ny Capsat - Tezitra tamin’i Alain Mahavimbina sy Roland Ratsiraka |
|
|
|
| Écrit par Razafindrakoto Aimé | |||
| Lundi, 20 Avril 2009 00:00 | |||
|
Hatezerana tsy nisy toa izany ny an' ireo miaramila niandraikitra ny fiarovana ny Filohan’ny Hat sy ireo gadra politika afaka tao amin'ny hotely " Le Neptune" ao Toamasina ny sabotsy lasa teo.
Ny an’ny gadra politika afaka dia ny tsy famelana azy ireo handray fitenenana nandritra ny fihaonan’ny Filohan’ny Hat Andry Rajoelina tamin’ny vahoakan’i Toamasina no nahatezitra azy. Ny an’ireo miaramila sy zandary kosa dia ny tsy fahalalam-pomba nataon’ireo mpanao politika nifandimby nikabary. "Tsy mba nisy teny fisaorana kely akory ho an’ireo miaramila nahatafita ny tolona”, araka ny fanazavana nomen’ny kaomandà zandary iray tonga tao Toamasina. Ankoatra ireo dia tsy isan’ireo nasaina tamin’ny fiaraha-misakafo ihany koa ry zareo ireo. Niantefa tany amin’ny filohan’ny Tgv Toamasina, Alain Mahavimbina sy ny filohan’ny Mts sady filoha lefitry ny Hat, Roland Ratsiraka izany fahasorenan’ny miaramilan’ny Capsat sy ny gadra politika afaka izany. « Nikasa hampita hafatra ho an'ny vahoakan' i Toamasina izahay, satria rehefa manao fitsidiham-paritra toy izao ny Filoha avon’ny rafitra tetezamita, Andry Rajoelina dia misy solontenanay mandray fitenenana hatrany. Nahoana no tonga eto Toamasina izahay no tampenam-bava ? Mbola miseho ihany ny toetra ratsin-dRoland Ratsiraka sy ny fiavonavonan’i Alain Mahavimbina. Midika izao fa mbola ady goavana no miandry an' i Toamasina eo amin'ny fanaovana politika satria mila mihavana tsara. Mahatonga ny mpanao politika mivondrona ao amin'ny Hmd tsy hita taratra firy ao amin'ny fitondrana tetezamita dia noho ny sakantsakana ataon' izy roa lahy ireo. Tsy mahazo toerana raha tsy Tgv na Mts ? », hoy ny depioten’i Mananara Avaratra teo aloha, Zakahely Boniface sady gadra politika afaka.
« Tsy nisy izany Tgv izany teto Toamasina raha tsy nandray ny andraikitray izahay niaro an' andriamatoa Andry Rajoelina. Inona izay vitan’i Alain Mahavimbina sy Roland Ratsiraka ary Rakotovao Mario eo raha tsy nisy izahay miaramila. Izahay no nandray an-tanana ny fiarovana ny Filohan'ny Hat. Rehefa vita ve ny ilainareo anay dia ataonareo anjorom-bala izahay ? Eo ianareo mpanao gazetin’i Toamasina hitatitra izany amin’ny vahoaka», hoy ihany ilay kaomandà. Araka ny hita tao amin’ny hotely “Le Neptune” dia andriamatoa Alain Ramaroson no nirahin’ny Filohan’ny Hat nandamina ireo gadra politika afaka teny an-dalan-tsara. Taorian’izay dia nisy andiana miaramila sy gadra politika afaka vitsivitsy tonga teny amin’ny trano fonenan’andriamatoa Alain Mahavimbina, eny akaikin’ny Hopitaly kely sy ny hotely “Baobab”. Andriamatoa Zakahely Boniface sy ilay kaomandà ihany no niaraka tamin’izy ireo teny. Razafindrakoto Aimé
|
la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir