la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La

S'identifier



Statistiques

Membres : 695
Contenu : 9668
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 2885968
Accueil Malagasy Fiparitahan ’ ny fitaovam - piadiana - Basy 15 sy bala 59 no sarona

Fiparitahan ’ ny fitaovam - piadiana - Basy 15 sy bala 59 no sarona

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Willys F.   
Mercredi, 10 Mars 2010 19:30
Nahitam - bokany ny hetsiky ny polisy amin’ ny ady noho ny fiparitahan’ ny fitaovam - piadiana. Nahatratra 15 isa ny basy tratra tamin’ iny volana janoary sy febroary iny raha toa ka 25 izany tamin’ ny taon - dasa.
Miisa 59 kosa ireo karazana bala sarona raha toa ka  tafakatra hatramin’ ny 123 izany tamin’ ny taon - dasa. Famahana bala telo boaty mirefy 7, 62 mm ihany koa no tratra. Karazana basy maro samihafa toy ny Makarov; ny vita gasy; ny poleta ( P.a.); « ny fusil d’ assaut Kalach; ny Revolver Gold 45,04; ny fusil Baïkal; ny fusil d’ assaut pm. Mat 49 » no tra – tehaky ny mpitandro filaminana. Ny tanjon’ ny polisim – pirenena amin’ ity taona ity dia ny hampihenana ny  heloka bevava. Hita ho nirongatra tokoa ny fanafihan - jiolahy tao anatin’ ny roa volana voalohany tamin’ ity taona 2010 ity raha ny eto an - dRenivohitra sy ny manodidina no jerena. Araka ny tatitra azo ihany, dia andian - jiolahy miisa 17 no rava raha toa ka 15 izany tamin’ ny taon - dasa, ka jiolahy 121 no naiditra am - ponja vonjimaika ary telo no maty. Manoloana izany tsy fandriampahalemana izany dia misy ny ezaka atao amin’ ny alalan’ ny fananganana kaomisaria. Eo an – dalam  - pananganana izany ny any Arivomamo, Ambatofinandrahana, Sabotsy Namehana ary Fandriana.
Willys F.
 

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La
Pub-Mada.du 17 mars 2010
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 94 invités en ligne