la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La

S'identifier



Statistiques

Membres : 695
Contenu : 9668
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 2886135
Accueil Malagasy 67 ha - Atsinanana - Feno dian’antsy ny vatan’ilay rangahy

67 ha - Atsinanana - Feno dian’antsy ny vatan’ilay rangahy

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Willys Fanomezantsoa   
Mardi, 21 Avril 2009 00:00
Nanao tohy vakana  ny vono olona tamin’iny faritra 67 ha sy ny manodidina iny. Raim-pianakaviana iray no maty tsy tra-drano novonoin’ny olon-tsy fantatra tamin’ny antsy.
67-park« Faty efa nidaraboka amin’ny tany ary  feno dian’antsy no hitanay teo am-bavahady. Somary nivoaka kely ny trano izy tamin’io fotoana io ary avy nanatitra fiara tany amin’ny  parking », hoy ny fanazavan’ireo fianakaviany. Saika nahitana dian’antsy avokoa ny vatantenan’ity raim-pianakaviana 33 taona ity.  Teny 67 ha ambadiky ny kaomisarian’ny Polisy tamin’ny alahady tamin’ny 7 ora sy sasany hariva teo no nisehoan’izany.  Araka ny vaovao azo teny an-toerana dia tsy novonoina teo amin’io vavahady io ity lehilahy ity fa tany an-toeran-kafa. Nisy namono tany izy io ary niezaka nitsoaka saingy mbola nisy nanaraka avy ao aoriana ihany.  Teo am-pamoahana vavahady iny izy no nisy nanatsatoka antsy ny lamosiny. Ny lohany sy ny tanany ary ny takibany dia nahitana izany avokoa.
Niniana natao
Voalaza fa fihetsika niniana natao izao vono olona izao. Mbola hita teny aminy avokoa mantsy ny vola sy ny finday fampiasany. Tsy vao izao no niharan’ny fandrahonana ho faty ity rangahy ity fa vao iray volana lasa izay no nisy nanenjika tamin’ny basy ihany koa ny tenany.
« Mpanao aferana fiara ny lehilahy ka mety misy ifandraisany amin’izany izao nahafaty azy izao », araka ny fanampim-baovao azo ihany. Ny sabotsy maraina teo no nahazo fandrahonana tamin’ny antso an-tariby izy. Tsy nandray io antso io izy tamin’izay fa ny mpanampiny no nandray izany. Nambarany tamin’ny vadiny izany avy eo. Tonga teny an-tokantranony niresaka tamin’io ramatoa io ireto mpandrahona ireto taorian’izay. Ny harivariva mbola maro olona mpandeha iny anefa dia izao no loza nitranga. Tsy misy ny fandriampahalemana amin’iny faritra 67 ha iny. Malaza eny an-toerana tato ho ato ny fanendahana miharo tsindron’antsy. Vao tamin’iny herinandro iny no nisy mpanendaka roa lahy nampiasa izany fitaovana maranitra izany ary efa naiditra am-ponja. Ny talata teo dia lehilahy telo samihafa no notsindronin’ireto olon-dratsy tamin’izany. Mpivarotra nitondra entana an-doloha no nendahany tamin’izany. Ireo roa lahy hafa namonjy azy kosa no mbola novonoin’ireo jiolahy ary mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny Hjra hatramin’izao.
Willys Fanomezantsoa
 

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La
Pub-Mada.du 17 mars 2010
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 119 invités en ligne