la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La

S'identifier



Statistiques

Membres : 695
Contenu : 9668
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 2886098
Accueil Malagasy Fandrobana teny Ankadifotsy - 26 no voasambotry ny Fip sy ny Capsat

Fandrobana teny Ankadifotsy - 26 no voasambotry ny Fip sy ny Capsat

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Jenny R.   
Jeudi, 12 Mars 2009 00:00
Namaly ny antson’ireo mpitandro filaminana avy amin’ny Capsat ny vahoaka amin’ny fanampiana azy ireo amin’ny fanafoanana ny fandrobana sy fiarovana ny fananan’ny olona sy ny ainy amin’izao fanararaotana ataon’ny sasany izao. Vokany 26 no voasambotra ary efa nilaza ireo mpitandro filaminana fa tsy handefitra amin’ny asa fandrobana fananan’olona.
26 no voasambotry teny Ankadifotsy
26 no voasambotry ny mpitandro filaminana teny Ankadifotsy
Nifanampy tamin’ny fanenjehana ireo mpandroba tao amin’ny tranon’ny depiote Mamy Rakotoarivelo teny Ankadifotsy, ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Fip sy ny Capsat niaraka tamin’ireo mponina teo an-toerana. Tamin’ny 2 ora sy 5 minitra no tonga teny amin’ity toerana ity ireo zatovo maromaro, raha niainga avy eny amin’ny kianjan’ny 13 mey izy ireo  rehefa vita ny lahateny nifandimbiasana. Tamin’ny 2 ora sy 10 minitra no nanomboka nianika ny tamboho ireo mpandroba ka nibata izay entana zakan’izy ireo tao amin’ity trano ity toy ny fahitalavitra, vata fampangatsiahana, kidoro spaonjy sy ireo seza fihinanana sy ny sisa. Raha iny mbola somokotra tamin’ny fakàna entana iny ireo mpandroba no tonga ny mpitandro filaminana tamin’ny 2 ora sy 25 minitra. Tratra tao avokoa ireo mbola tavela tao. Izay nivoaka ka nitondra entana dia nodarohan’ny mponina izay mipetraka manodidina teny an-toerana ihany. Maro ireo niampatrampatra torana araka izany. Nisy tamin’izy ireo no ankizy vao avy nianatra kanefa dia lasa voatarika tamin’ny fandrobana ka  tratran’ny fisamborana. Ireo mbola tao an-trano kosa dia ireo mpitandro filaminana no nandray azy ary tsy nisy afa-nitsoaka intsony. Nahatratra 26 ireo voasambotra ary maro tamin’izy ireo no naratra noho ny daroka nataon’ny olona tsy nankasitraka ity fandrobana ity. Averimberin’izy ireo fa “manalabaraka ny tolona atao ireto mpandroba ireto ka mendrika ny hofaizina”. Ny tena mahagaga amin’ireto andian’olona ireto, dia mivory izy ireo rehefa vita ny fanentanana ny olona eo amin’ny kianjan’ny 13 mey. Ny olona tena mpitolona dia hita fa mody avy hatrany. Fa izy ireo kosa dia mbola mitangorongorona eo mandritra ny 10 minitra, tahaka ny manome toromarika amin’izay trano andeha horobaina. Hatreto dia tsy fantatra mazava hoe iza no tena mpitarika azy ireo. Raha tsy misy ny fepetra raisina dia mety hanimba ny tolona izay atao izany. Samy manaiky ny rehetra fa maro ny tsy an’asa kanefa izany dia tsy entina handrobana sy hanimbana ny tolona. Mandra-pahavitan’ny tolona ve dia hitaintaina tahaka izany foana ireo tranombarotra sy olona maro eto an-dRenivohitra ?.
Jenny R.
 

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La
Pub-Mada.du 17 mars 2010
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 150 invités en ligne