la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La Une du 06/09/10, N°0699

S'identifier



Statistiques

Membres : 695
Contenu : 10714
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 3228845
Accueil Malagasy Fanafihana sinoa - Zandary iray niakatra Fitsarana

Fanafihana sinoa - Zandary iray niakatra Fitsarana

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Willys Fanomezantsoa   
Samedi, 03 Juillet 2010 00:30
Nahatratra 12 lahy ireo voampanga tamin’ ny fanafihana mitam - piadiana teny Ambohimanambola tamin’iny taon - dasa iny. Ny iray tamin’ ireo dia Zandary am - perinasa ary tovolahy mbola tsy ampy taona kosa ny roa.
Naharitra ora efatra ny fotoam - pitsarana ireo 12 lahy nanafika orinasa sinoa teny Ambohimanambola. Ny iray tamin’ izy ireo dia Zandary am - perinasa. Raha tsiahivina dia tamin’ ny 20 marsa 2009 teo no notafihin’ ny jiolahy 12 lahy ny orinasa sinoa iray teny Ambohimanambola. Ny roa tamin’ ireo no mbola tsy ampy  taona, izay afaka madiodio. Anisan’ ny afaka noho ny fisalasalana kosa ilay Zandary ary ny roa no voaheloka hiasa an - terivozana fito taona. Nirongo basy « Kalachnikov » roa izy ireo ary nisaron - tava avokoa. Niditra an - keriny tamin’ io orinasa mpanao vy io izy 12 lahy. Nasain’ ireto farany niondrika ambany daholo ireo mpiasa tamin’ io fanafihana io ary namantana tany amin’ ireo Sinoa mpivady tompona orinasa ny sasany tamin’ izy ireo. Lasa tamin’ izany ny vola telo baoritra.
Nitonona ho Miaramilan ’ ny « Capsat »
Tamin’ ny fidirana an - keriny teo am - bavahady dia nilaza tamin’ ny mpiambina ireto jiolahy nanao fanamiana miaramila ireto fa Miaramila avy ao amin’ ny « Capsat ». Ary hamita iraka hanao fisavana ity orinasa ity no anton - diany. Fiara 4x4 iray sy Mazda iray no nentin’ izy ireo tamin’ izany fanatanterahana ny asa ratsin’ izy ireo izany. Raikitra ny fanarahan - dia nataon’ ny Zandary teny an - toerana ireto farany ka anisan’ ny tratra teny amin’ iny faritra Ankadinandriana iny ny iray tamin’ ireto jiolahy ireto ka nanomboka teo no nahatrarana azy 12 lahy ireo.
Willys Fanomezantsoa
 

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La Une Inona no Vaovao du 06/09/10, N°0365
Pub-Mada.du 17 mars 2010
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 61 invités en ligne