Atsimo Atsinanana - Notetehina toy ny hena ilay namono ny zaodahiny |
|
|
|
| Écrit par Tiana Rakoto | |||
| Jeudi, 18 Mars 2010 00:30 | |||
|
Vono olona mahatsiravina no niseho tany amin ’ ny Distrikan ’ i Vangaindrano andro maromaro lasa izay. Lehilahy somary very saina no namono nahafaty ny zaodahiny. Niharan ’ ny fitsaram - bahoaka izy taorian ’ izany ka notetehin ’ ny fokonolona toy ny hena.
Tranga mampihoron - koditra no niseho tany amin’ iny Faritra Atsimo Atsinanana iny, iray volana lasa izay. Ny marimarina kokoa dia tany amin’ny Distrikan’i Vangaindrano. « Lehilahy iray voalaza fa verivery saina no nikapa famaky ny zaodahiny. Maty tsy tra - drano noho ny ratra nahazo azy itsy farany noho izany. Tsy nampoizin’ ilay lehilahy rahateo ny fihetsik’ ilay zaodahiny ka tsy afaka niaro tena izy. Tezitra noho izany fihetsik’ ity olona voalaza fa adala ity ny fianakavian’ ny maty sy ny fokonolona ka nitroatra nitady izay toerana nisy azy. Rehefa voasambotr’ ireto farany izy dia niharan’ ny fitsaram - bahoaka ary nentin’ izy ireo teny amoron - dranomasina dia notetitetehina toy ireny hena ireny », araka ny fampitam - baovao voaray tany an - toerana.
Tao amin ’ ny KaomisariaVoalazan’ ilay vaovao fa nosamborin’ ny polisy tany an - toerana ity lehilahy lazaina fa adala namono ny zaodahiny ity ary notazonina tao amin’ ny Kaomisaria. Rehefa fantatr’ ireo havan’ ny maty fa ao amin’ ny Kaomisaria ilay mpamono olona dia niantso fokonolona izy ireo ary nitaky ny hamoahana azy io. Niteraka savorovoro izay tsy izy mihitsy izany ary noteren’ izy ireo hamoaka ilay lehilahy ny polisy. Tafavoaka ilay lehilahy taorian’ izay ary nentin’ ireo fokonolona teny amoron - dranomasina.Matetika no misy tranga toy izany miseho amin’ ny Faritra maro manerana an’ i Madagasikara. Ny anton’ izany dia efa leon’ ny vono olona sy ny asan - jiolahy ny vahoaka ka voatery mandray fepetra araka izay saim - patany.
Tiana Rakoto
|
la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir