la "Une" du jour - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La

S'identifier



Statistiques

Membres : 695
Contenu : 9668
Liens internet : 6
Affiche le nombre de clics des articles : 2886041
Accueil Malagasy Ankorondrano - Any am - ponja ny tompon ’ ilay fiara nahafaty olona

Ankorondrano - Any am - ponja ny tompon ’ ilay fiara nahafaty olona

PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Willys F.   
Mardi, 09 Février 2010 00:30
Na efa nihevitra ny tsy hisy hanaraka intsony aza ny tompon ’ ilay fiara nahafaty olona teny Ankorondrano, dia tratra ihany. Efa tany am – pelatànan ’ ny olona rahateo ny mombamomba an ’ ilay fiara.
AnkorondranoTratra tao an – tokotanim - piangonana iray teto an - dRenivohitra ilay fiara nahafaty olona teny Ankorondrano,  ny 24 desambra lasa teo. Olona roa no maty ary iray kosa naratra izay nofaohin’ ity fiara madinika ity tamin’ izany fotoana izany kanefa dia nitsoaka izy nony avy eo. Nisy naharay an - tsoratra  anefa ny laharan’ io fiara io nandritry ny fitsoahany. Ny alahady teo no nisy nahita teo an – tokotanim - piangonana izany,  ka ny mpitandro ny filaminana no naka ny tompon’ ny fiara. Niakatra Fampanoavana omaly ny raharaha ka naiditra am - ponja vonjimaika  ity farany.
Raha tsiahivina dia maty nofaohin’ ity fiara ity ny lehilahy iray sendra niampita teo Ankorondrano tamin’ io andro io. Tsy lasa lavitra dia mbola nandona olona hafa indray ilay fiara nahavanon - doza. Mbola nirifitra nanohy ny diany hatrany anefa ilay fiara nony avy eo. Ny ankamaroan’ ireo olona teny amin’ ny manodidina kosa dia nandray an - tsoratra ny laharan’ ilay fiara. Avy hatrany dia natolotra ny mpitandro ny filaminana ny mombamomba azy io ka izao nahitam - bokany izao.
Willys F.
 

la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir

La
Pub-Mada.du 17 mars 2010
 
moov

Connexion en ce moment

Nous avons 131 invités en ligne