Adin ’ ny samy Ampanjaka - Nakatona ny zomban ’ Ambatoharanana |
|
|
|
| Écrit par Willys F. | |||
| Vendredi, 05 Février 2010 00:30 | |||
|
Mbola mialokaloka ao Antsiranana Renivohitra ny Ampanjakan’ Ambatoharanana teo aloha Lamboeny V amin ’ izao fotoana izao, araka ny vaovao azo. Nikasa ny hiverina any Ambatoharanana izy taorian’ ny fitsaboana azy nefa voalaza fa nakatona ny Zomba ankehitriny.
« Ny 27 janoary teo izahay no naharay taratasy fa nakatona ny Zomban’ Ambatoharanana. Tsy afaka manao ziara ao intsony izahay . Talohan’ izany, dia nisy ny taratasy nalefan’ ny Lehiben’ ny Faritra Diana milaza fa tsy misy Ampanjaka afa - tsy i Tsimiharo III ao an - toerana », hoy i Somo Sidiny, solontenan’ ny Ampanjaka Lamboeny V, omaly teny amin’ ny Carlton Anosy. Mbola tsy milamina araka izany ny disadisa amin’ izy ireo momba ny fiadiana toerana. Nanambara ity farany fa « izy no napetrak’ ireo olobe fa tsy misy apetraky ny Fanjakana izany ». Taorian’ ny fitsaboana natao azy, dia nilaza fa hiverina handray ny fahefany izy nefa izao nakatona izao ny Zomba. Raha ny voalaza, dia mbola ao Antsiranana ity voaesotra tamin’ ny toerany ity, amin’ izao fotoana izao. Raha tsiahivina, dia olona roa no maty ary telo hafa no naratra anisan’ izany ny Ampanjaka Lamboeny.Araka ny fanazavana azo, dia efa nisy olona fito no voasambotra ny volana desambra teo. Ny 20 novambra no nisavorovoro ny vahoaka tany an – toerana. Nidina nanelanelana izany ny zandary ary niafara tamin’ ny fitifirana. Vokany, olona roa no namoy ny ainy, telo hafa kosa no naratra voatifitra ka anisan’ izany Lamboeny V. Nisy ny fitoriana napetraka teny anivon’ ny Tribonaly momba ity raharaha ity saingy tsy mbola nahitam - bokany izany.
Willys F.
|
la "Une" Inona no Vaovao - Vous pouvez cliquer pour agrandir